Any an-drenivohitra Anosy nanomboka ny sabotsy teo i Tanjaniaina Juliot Pierrot, lehiben'ny faritra vaovaon'Anosy.
Tao amin'ny rezidansa prefektoraly no nifamotoana ary nambarany fa vonona ny hiara-miasa amin'ny rehetra ny tenany, indrindra amin'ny Prefet de Region sy amin'ireo ben'ny tanàna amin'ny fanomezana tosika amin'ny fandrafetana drafi-pampandrosoana ny plan communal de developpement (PCD).Nanotrona ny fahatongavan'ny lehiben'ny faritra tany an-toerana Rtoa Atallah Beatrice. Nifona teo imasom-bahoaka i Atallah Beatrice ! Nanaitra sy nahagaga ny maro ny filazany hoe "Mifona amin'ny hadisoana nataony". Tsy inona ny fahadisoana nataon'ity minisitra ity araka ny filazany fa noho i Brechard Luc Loyola ny lehiben'ny faritra teo aloha (tsy iza fa mbola zao-dahiny ihany) nanery ireo ben'ny tanàna hifidy ny kandida atolotry ny HVM amin'ny fifidianana senatorialy. Ny alahady tolakandro namory ireo ben'ny tanàna tao amin'ny hotely La Marina Ampasikabo. Famerenan-doha ireo ben'ny tanàna efa nanomboka nisintaka tamin'ny HVM noho ny hevitra tsy mitovy. Voalazan'ireo ben'ny tanàna fa mbola miendrika ramatahora sy teritery ihany no hita.Tokony hifidy ary tsy maintsy mifidy HVM ianareo,raha ts izany dia hosoloina PDS ary tsy homena subvention, izany no teny midina azonay, hoy izy ireo. Ny marivo salosana dia efa mipararetra!!! Izao indrindra no tokony hanehoan'ireo ben'ny tanàna ny maha izy azy. Miara-dia amin'i Atallah Beatrice any an-toerana ingahy isany Rakotoarison Yves Aimé (Meme) sy Reboza Julien. Tsy nanatrika ity fihaonana tamin'ireto delegasiona ireto ireo solombavambahoaka mirahalahy, Hatrefindraza Jerry sy IJO.
Marcus
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.