Nanambara ny filohan’ny CENI-T Rtoa Atallah Béatrice ny talata lasa teo fa avela hojeren’ny olom-pirenena tsirairay tsy an-kanavaka eny amin’ny foiben’ny CENI-T Alarobia ny voka-pifidianana rehefa voamarina sy vita kajy tsara; mandray ny andraikitra ary tena mijoro ny tenako manome toky ireo kandida mirahalahy nifaninana tamin’ny fihodinana faharoa fa tena ny safidim-bahoaka tany anaty vato fandatsaham-bato tamin’ny 20 desambra marina ny vokatra hivoaka eo fa tsy hihoatra na hihena na dia vato iray aza, hoy izy. Hentitra sy matotra fomba fiasa ny CENI-T araka ny nambaran’ny filohany, «ny marina sy ny mangarahara no avoaka, tarehimarika mitombina sy araka ny tena safidim-bahoaka no aseho, izay ary izay ihany». Ho voahaja ny fe-potoana napetraky ny lalàna amin’ny famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika ary dia ampitaina any amin’ny CES izany hoy Rtoa Atallah Béatrice satria io no rafitra manampahefana hitsara sy handinika ny zava-drehetra momba ny fifidianana ary hamoaka ny voka-pifidianana ofisialy.
Nisaotra ny rehetra tamin’ny adidy aman’andraikitra noraisiny tsirairay avy ka nahafahana nanatanteraka fifidianana tao anatin’ny filaminana ny filohan’ny CENI-T, dia eo izany ny mpifidy, ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fikarakarana ny fifidianana, ireo mpiara-miasa sy mpamatsy vola avy any ivelany, ny mpanara-maso ny fifidianana aman’arivony, ny mpitandro ny filaminana. Mahavelombolo, hoy hatrany Rtoa Atallah Béatrice ny nahita fa tsy dia sarotra loatra ho an’ny Malagasy ny fampiasana ny bileta tokana sy ny fifidianana roa miaraka atao. Raha ity fanambarana ity no raisina dia mitsipaka marindrano ny mety hisian’ny hala-bato ny CENI-T ary manizingizina fa vaofehiny ny fanarahamaso sy anatanterahana ny fifidianana ka vokatra marina sy azo antoka no avoakany, mazava koa ny tenin-dRtoa Atallah Béatrice fa raha misy ny fanamarihana na fanankianana na fitakiana na fitoriana dia any amin’ny CES no tokony hanaovana izany satria io no fitsarana manokana momba ny fifidianana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.