Atahorana mafy ho votsotra Antananarivo

Misoko ny paikady maloto avo lenta…


  • Alarobia 04 Desambra 2024

Mihamafy ny ahiahy amin’ny mety hisiana halatra sy hosoka ara-pifidianana, indrindra fa eto Antananarivo.

Efa nisy fanehoana izany ahiahy izany tamin’ny endriny maro, ary efa nisy kandida aza naneho fa manana porofo amin’ny fitaterana olona ivelan’Antananarivo, fampiasana ny « ordonnance » izay nambara fa misy tsikombakomba,… Nisy ny efa niteny mihitsy fa efa misy bileta voamarika mialoha,... Ny kabary politika naherihery vaika moa niaraha-naheno, toy ny hoe : antsika ny tanàna, isika no mafy,… « Firenena demokratika i Madagasikara, mandala ny demokrasia, ka tsy misy afaka hiteny fa kandidam-panjakana ka ny amiko izany dia ny andrim-panjakana mihitsy no nanolotra azy raha izany. Ny marina dia kandidan’ny avy ao amin’ny Fitondrana. Efa ahitanao sahady, azo hitarafana fa tsy mandala ny demokrasia fa olona hanao fahoany fahoany amin’izay tiany hatao eto satria hoe anay ny tanàna, ka tsy fananany manokana Antananarivo, hoy Atoa Solohery Charles Hilaire Mpiara-mitantana anatin’ny Birao mpitantana ny MFM. Betsaka ny feo mandeha mikasika ny « hold up électorale» na fanahy hiniana haely fa fifidianana efa vita fa ry zareo handresy. Ny filazana fa fananana fototra na « base électorale », raha tarafina tamin’ny fifidianana depiote dia mety ho izay fa ny fanontaniana dia hoe : tamin’ny fomba ahoana no nahazoany azy ? Matoa misy ny fizarana ny « fond résilience » izay midika ho haraton’aina dia hatao izay tsy hahafaty ny Gasy. Matoa misy an’io ny fizarana izany izay navadika programan’ny Malagasy nangatahana vola tamin’ny rafitry ny Breton Woods, dia midika fa sahirana ny olona, tsy mahavelon-tena, ary maninona no ao anatin’ny fifidianana vao zaraina io vola io miaraka amin’ny karapanondro sy kara-pifidianana ? Tokony hiteraka adivehitra hoe tena « base électorale» noho ny faharesen-dahatra sa teritery sy fividianana olona ? Miantso ny isam-batan’olona ho mailo izahay fa tena betsaka ny zavatra mampiahiahy, fanamboamboarana ny sain’ny olona,… hoy hatrany Atoa Solohery Charles Hilaire. Efa betsaka ny ahiahy mikasika ny CENI hatrany amin’ny fifidianana Filoham-pirenena. Mahagaga fa efa nofaranana ny lisitra dia avy eo indray hoe : hitarina amin’ny alalan’ny article 42. Maninona no nitarina ? Be dia be ve izany ny olona tsy hifidy any aminy ? Hisy « ordonnance be dia be izany… Azo tenenina izay tiana tenenina fa ny zava-misy izany dia betsaka ny « ordonnance » ka olona avy aiza ? Mazava ny lalàna fa tokony havoaka ampahibemaso ny lisi-pifidianana hijerin’ny olona ny anarany, hijerena ny olona vaovao,… hoy izy. Misy horohoro sy tahotra fa ho votsotra Antananarivo dia atao izay hampandaniana an’io, hoy ity mpanao politika ity.
ATAO IZAY HAHARATSY ENDRIKA RAHA IVELAN’NY FITONDRANA
Hanao izay haharatsy endrika izay lany eo ny famindrana ny hetran-trano sy hetran-tany hotantanan’ny Fanjakana Foibe kanefa ireo no mampiditra vola betsaka indrindra ho an’ny Kaominina. Tetika ny hanakanana sahady izay kandida ivelan’ny mpitondra mety ho lany eo. Misy toe-javatra roa eto Antananarivo, izay ben’ny tanàna no lasa Filoham-pirenena. Raha vao misy vola ny kandida lasa ben’ny tanàna ivelan’ny fitondrana dia lasa ho azy io, ka efa kajy sy tahotra ho an’ny 2028 io ka hatao izay haharatsy endrika azy, hatao izay tsy hahavitany zavatra, fa lasa aty amin’ny Fanjakana Foibe ny vola hoe : izahay no nahavita an’ity. Lasa « centralisation » fa tsy « décentralisation », ka olona tsy vonona hampandroso firenena ireo, fa ny azy ihany, hoy ny fanehoan-kevitr’Atoa Solohery Charles Hilaire.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT