Ezahina henjehina sy lotoina ankehitriny ny tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana teo aloha Orlando Robimanana satria malaza ho anisan’ny kandida hirotsaka hofidiana filoham-pirenena. Hamoronana dosie maloto isan-karazany hahafaha-mamotika azy.
Malaza rahateo fa olona atokisan’ny mpamatsy vola izy. Sesilany ny fanenjehana ara-politika azy amin’izao ka toa terena hampidirina amina raharaha kolikoly. Efa herintaona izao ny raharaha Claudine Razaimamonjy, saingy terena hampidirina ao anatin’izany ity tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana teo aloha ity. Nandeha ny fanenjehana ny fanadihadian’ny Bianco, ka nidoboka am-ponja vonjimaika ny minisitry ny vola teo aloha Jean Razafindravona. Anisan’ny nanaovana fanadihadiana koa i Orlando Robimanana noho ny raharaha famoahambolam-panjakana 400 828 000 Ar, saingy nahazo fahafahana. Voizina fa olona tokony hohenjehina mafy ny tenany, saingy heverina fa olona mety tratry ny tsindry aloka isan-karazany tao anatin’ny raharaha. Ny minisitry ny vola na ny eo amboniny no tompon’andraikitra ambony indrindra manapaka amin’ny resaka fitantanana sy famoahana ny volam-panjakana. Toa nanamafy izany ny fanambaran’ny sendikan’ny mpiasa eo anivon’ny tahirimbolam-panjakana, izay tsy mankasitraka ny fanenjehana tsy marim-pototra na fanasoketana ny mpiasa eo anivon’ity sampandraharaham-panjakana ity. Ny asa sahanin’ny Tahirim-bolam-panjakana sy ny mpitantana voalohany ao anatin’izany dia voafaritry ny andininy faha-33 ao amin’ny didim-panjakana 2007-185 du 27 febroary 2007, ary hamafisiny ao amin’ny andininy faha-43 ao amin’ny didim-panjakana 2014-1102 ny 22 jolay 2017 izay milaza fa ny tale jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakana dia miahy fotsiny ihany ny fifandanjana faobe eo amin’ny tahiry ary mandrindra ny fikirakiram-bolam-panjakana na ny « Trésorerie de l’Etat ». Ny fanomezan-dalana omen’ny foibem-pitondrana ny Tahirim-bolam-panjakana ireo “comptables” sy “régisseurs” tsirairay dia arakaraky ny tahiry azo hetsehina fa tsy mahakasika velively ny fanaraha-maso ny maha ara-dalàna na tsia ireo fandaniana na ireo taratasy fanamarinana isan-tsokajiny izay efa andraikitra nomen’ny didy aman-dalàna ireo tompon’andraikitra voalaza etsy ambony (ordonnateurs sy comptables). Noho izany, dia manameloka tanteraka ny fandotoana atao amin’ny mpiasan’ny Tahirim-bolam-panjakana izay manao ny asany ao anatin’ny fanajàna ny didy aman-dalàna velona mifehy ny asa ny sendika, araka ny fanambarana nataony.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.