Ny zava-misy sy ny fihetsiky ny filoham-pirenena amin’izao fotoana izao, dia toa maneho fa mbola hirotsaka hofidiana filoha ny tenany, ary manomana fatratra izany.
Tsy mbola misy anefa aloha ny filazana amin’ny fomba ofisialy ny hirotsahany, ary tsy takona hafenina toy ny tafika andrefan-tanàna fa ambany dia ambany ny taham-pankafizan’ny vahoaka azy. Azo antoka fa mahalala izany tsara ny filoha, ary mety misalasa tanteraka hoe ho kandida sa tsia ? Mety hahay hanaja tena ary hijanona ihany ny filoha, fa ny manodidina azy no tsy manakiy fa hoe aleo i Hery Rajaonarimampianina aloha. Maro rahateo no te hihinana eo foana, ary te hanao tohatra fiakarana an’i Hery Rajaonarimampianina. Tsy afaka ny hirotsaka sy handeha irery amin’ny fifidianana anefa, fa ny mandrisika ny filoha am-perinasa no tena anton-draharaha. Ny hany herin’ireo manodidina azy matahotra ny ho very fihinana, dia ny mandrisika sy manery mivantana na ankolaka ny filoha mbola hirotsaka, ary mampanantena fatratra azy ny hanao izay fara hery hampandaniana an-dRajaonarimampianina. Lojika araka izany raha mikaroka ny hevitra rehetra na eo amin’ny lafiny fianteherana amin’ny lalàna mitanila hampandresena ny antokon’ny fitondrana, ka toa mamahan-dalitra sy miezaka mandresy lahatra fa mbola azo antoka ny fahalanian-dRajaonarimampianina. Manginy fotsiny ny fianteherana mafy amin’ny tafika, ka tsara karakara mihitsy ireo lehibe amin’izao fotoana izao. Betsaka rahateo ny afera isan-karazany natao nandritra ny nitondrana ny firenena, ka maro no mety hahita faisana raha vao tsy eo amin’ny fahefana intsony satria ho vaky ny afera. Tsy hita rahateo hatreto izay heverina fa kandida afaka ny hahasolo an-dRaonarimampianina ao anatin’ny HVM. Ekena fa mety maro no manam-paniriana te hanao, saingy mety tsy hanaiky lembenana ny ankamaroany satria samy te hanao. Efa mandeha rahateo ny fifampiahiahiana, ka volana vitsy lasa izay dia minisitra iray, ohatra, no nampanantsoina teny an-dapa satria malaza fa mampalaza tena sy te ho kandida, ka atahorana hisongona an-dRajaonarimampianina. Tena vahaolana sy hitondra filaminana ve ny mbola fitadiavana làlana ambanin’ny tany hampandresena an-dRajaonarimampianina sy ny antokon’ny fitondrana. Hahay hanaja tena ve ny filoha ankehitriny?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.