Mitodika any amin’ny fanendrena ireo mpikambana vaovao ao anatin’ny governemanta avokoa
ny mason’ny rehetra amin’izao taorian’ny nahalany 100% indray ny Praiministra teo aloha Ntsay Christian. Naneho ny heviny mifandraika amin’izany Ramatoa Assanati Famo Gidraka ka nambarany fa tokony hametrahan’ny Filoham-pirenena sy ny Praiministra lehiben’ny governemanta masontsivana mihitsy ireo olona hotendrena ho Ministra vaovao. Tsy mora ny manao izany hoy izy ary tena marina fa tsy tokony hirotorotoana araka ny tenin’ny filoha satria hiankinan’ny fotoam-piasana faharoa an’ity governemanta Ntsay Christian ity izay tena ain’ny firenena. Tsy ampy ny fanaovana jery todika ny asan’ireo Ministra teo aloha no sady tsy ilaina intsony ihany koa ny fanendrena olona niteraka resabe teto amin’ny tany sy ny firenena. Mila olona mafy ara-politika noho izany miditra ao anatin’ ny Governemanta no sady afaka hifampitana amin’ ny mpanohitra. Mila dinihina koa ny fifandanjana isam-paritra. Tsy tokony hijanona fotsiny amin’ ny resaka diplaoma na mari-pahaizana izany hoy Ramatoa Assanati fa tsara kokoa raha Governemanta politika no hatsangana fa tsy teknika.
Pati
Legende : Ramatoa Assanati Famo Gidraka maniry ny hilaminan’ny tany sy ny firenena !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.