ASSANATI FAMO GIDRAKA

«Mifandefera, tsy mpifahavalo fa mpifaninana !»


  • Zoma 15 Novambra 2024

Naneho ny heviny mikasika ny zava-misy lalovan’ny firenentsika ankehitriny Rtoa Assanati Famo Gidraka,

filoham-boninahitry ny Fikambanana Assanati Famo Gidraka. Nambarany fa tena sahirana ny vahoaka. Potika ny ankamaroan’ny asa fihariana vokatry ny fahatapahan-jiro sy rano lavarenin’ny JIRAMA. Mirongatra ny tsy fandriampahalemana ka zary lasa kamboty velon-dRay tanteraka ny valalabe mandry. Nasiany resaka ihany koa ireo mpanao politika mifanenjika sy mifamely an-toerana tsy an-kiato eto amin’ny firenena. Hanjakan’ny fifankahalana tanteraka ny sehatry ny politika Malagasy, hoy izy, ary mpifahavalo ara-politika no misy fa tsy mpifaninana. Manao antso avo amin’ireo mpanao politika rehetra araka izany Rtoa Assanati mba hahay hifandamina ka tsy hijery afa-tsy ny mahasoa ny tanindrazana. Hampandefero ny hambom-po politika, hoy izy, ary aoka izay ny fifanenjehana sy ny fifamotehana fa ny filaminan’ny firenena ihany no ahitantsika vahaolana. Mikasika ny fanampiana ara-tsosialy tanterahiny moa dia fantatra fa mitohy ny fizarana tosika PPN ao anatin’ny tambajotran-tserasera Facebook tontosainy. Saika mahazo tombontsoa amin’izany avokoa ireo mpanaraka ny kaonty Assanati Famo Gidraka ofisialy miisa 221.375. Ho avy tsy ho ela ihany koa ny tosika vorona ho an’ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona hahafanteraka ilay teny filamatra manao hoe : “Assanati Famo Gidraka antsika jiaby, ary ny Werawera tsy maintsy mandeha”.
Pati
Legende : Rtoa Assanati Famo Gidraka manaraka akaiky ny raharaham-pirenena eto amintsika !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT