ASSANATI FAMO GIDRAKA

« Mandraisa andraikitra ianareo depiote »


  • Zoma 28 Jona 2024

Nivoaka omaly Alakamisy 27 Jona tamim-pomba ofisialy ny voka-pifidianana solombavambahoaka manerana ny Nosy.

Tsy manadino azy ireo fa mirary soa ho an’ny tsirairay izay tafavoaka tamin’iny fifidianana iny Rtoa Assanati Famo Gidraka mba hahefabe amin’ny adidy aman’andraikitra hankinina aminy. Ataontsika adin’ombilahy izany hoy izy ka ny naharesy tsy hobiana, ny resy tsy hakoraina. Ho an'ireo resy kosa dia mankahery azy ireo hanohy hatrany ny fandraisana andraikitra efa nataony Rtoa Assanati. Tsy natao ambanin-javatra nandritra izany ireo kandida vehivavy. Ho an’ireo lany soa aman-tsara dia nambarany fa lehibe ny dingana vitan’izy ireny satria ny Reny no fototra maha Firenena. Mahaleova mahalasana. Mahavita be amin'ny asa aman'andraikitra miandry anareo. Misy koa ny renim-pianakaviana nifaninana kanefa tsy tafavoaka. Mahereza hatrany fa aoriana mbola ho avy ny fandresena. Ho an'ny fetin'ny fahaleovantena dia miarahaba ny vahoaka Malagasy rehetra nahatratra ny faha 64 taona ny fahaleovantena izy. Arahabaina fa vita soa ny Asaramanitra. Nanamarihantsika iny fety iny ny fizarana vorona tamin'ireo Malagasy mpiray tanindrazana maro hoy Rtoa Assanati. Mikasika ny vaovao indray dia fantatra fa hivahiny ao amin'ny Rnm i Assanati Famo Gidraka ny sabotsy ho avy izao amin'ny fito Ora sy sasany hariva.
Pati
Legende : Rtoa Assanati Famo Gidraka, filoham-boninahitry ny Fikambanana Assanati Famo Gidraka !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT