Isaky ny filankevitry ny minisitra no matetika hisian’ny fanesorana tompon’andraikitra ambony isan-karazany amina minisitera na sampandraharaham-panjakana lehibe eto amintsika.
Tena nanjaka io indrindra amin’izao fotoana akaiky fifidianana izao. Ekena ny fifandimbiasan-toerana saingy voahaja ve ny mason-tsivana tokony harahina amin’ireny ? Hatramin’ny teknisianina manokana mahafehy ny asa aza mantsy indraindray esorina sy soloina mba hampidirana mpanao politika. Anisan’ny fifanolanana niseho ny an’ny minisitry ny asam-panjakana sy ny lalàna sosialy sy ny mpiasam-panjakana ambony fa olona tsy mahafehy ny asa no hapetraka amina toerana tokony hiandraketan’ny teknisianina nahavita fianarana teny amin’ny sekoly ambony fiofanana ho mpiasam-panjakana. Ampahan-javatra ihany ireny fa ny tena tanjona dia ny hampiasa ny fahefam-panjakana amina sehatra politika. Fahita sy fandre matetika ny hoe tsy maintsy manatrika ny famoriam-bahoaka ataon’ny HVM ny mpiasam-panjakana isan-tsokajiny. Sarotra ny hibaiko sy hifehy ary hanao fitaovana politika ireo tena teknisianina, ka toa mirona any amin’ny fametrahana ny olona heveriny fa azo atao izany ny mpitondra. Efa nanaovana fanadihadiana teto fa mihorohoro ny tompon’andraikitra ambony tsy HVM amin’izao fotoana ary efa mizotra mankany amin’izany ny fitondrana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.