Ny tsy fananan’asa no anisan’ny vato misakana tsy hahafahan’ny isan-tokantrano
mandroso no sady mampirongatra ny tsy fandriampahalemana ankehitriny. Anisan’ny antony nanosika ny solombavambahoaka Alain Ratsimbazafy voafidy teny Atsimondrano hanome fiofanana maimaim-poana ireo izay liana izany niaraka tamin’ny Work Program Madagascar. Niditra tamin’ny andiany faharoa ny fampiofanana tamin’ny 10 Febroary lasa teo ka ankoatra ny trondro sy ny akoho dia nisy ihany koa ny fampianarana mikasika ny lalitra mainty (BSF) natao teny amin’ny By-pass Imerimanjaka. Ho fanohanana sy ho fanampiana ny vahoaka Malagasy mihintsy mba hahaizan’izy ireo mihary sy miditra lalina kokoa amin’ny fampananan’asa no tanjona.An-jantony ireo olona tonga nanatrika ny fampiofanana raha tsiahivina izay porofo tsy azo lavina fa maro no mangetaheta sy maniry hanana fivelomana mifototra amin’ny fiompiana izay azo hatao vadin’asa na fotom-pivelomana mihintsy. Nanolotra zana-trondro “Carpe” sy zanaka akoho “poulet de chair” ho an’ireo olona miisa 12 tsara vintana nandritra ny fisarihana ny solombavambahoaka Alain Ratsimbazafy nandritra izany. Amin’ny Sabotsy 09 Martsa ho avy izao indray moa ny fampiofanana andiany fahatelo ka mikasika ny fanamboarana Zezika “Compost” sy fambolena vary an-tanety ary soja indray no kasaina hatao amin’io andro io.
Pati
Legende : Marobe tahaka izao ireo olona tonga niatrika ny fiofanana !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.