Politique

Asa goavan’ny fitondrana Rajoelina Nitsefotra ny ankamaroan’ireo nampanantenaina


  • Alakamisy 11 Mey 2023

Araka ny kabarin'ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ny 31 desambra 2020 dia atomboka tamin'iny taona 2021 iny ireo asa goavana fananganana fotodrafitrasa,

izany hoe 2 taona lasa mahery izay. Anisan'ny tena nandrasan'ny maro tamin’ireny ny Tanamasoandro teny Imerintsiatosika, ny Miami Toamasina, Autoroute Antananarivo Ambatondrazaka Toamasina, Flyover Anosizato -Andohatapenaka. Nomarihina tsara moa tamin’ireny fotoana ireny fa eny amin'ny tanàna vaovao Tanamasoandro no hanatanterahana ny lalaon'ny nosy aty amin'ny ranomasimbe Indianina izay ho tontosaina amin’ity taona 2023 ity, raha ny fandaharam-potoana hatreto aloha. Tsy nisy hita na iray aza ireo voalaza ho asa goavana ireo ary mampametra-panontaniana ankehitriny hoe dia ahoana tokoa izany ny momba ilay lalaon’ny nosy izay ny minisitera milaza fa efa tomombana 98% nefa ry Siteny Andrianasoloniaiko, izay sady filohan’ny federasionina afrikanin’ny Judo no anatin’ny komity olympika eto amintsika milaza fa tsy misy ho antenaina amin’izy ity ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT