Aroriaka mitolona ho an’ny firenena

«Mila sorohana ny


  • Zoma 12 Desambra 2025

fako tsy hiditra anaty fanovàna!»

Fikambanana maromaro no ao anatin’ny Vovonana AMF na Aroriaka mitolona ho an’ny firenena ka isany ny Jeune intellectuel de Tulear, Firaisamben’ny fikambanan’ny zokiolona eto Mahajanga, ny SOLUMA, ny Nouvelle espoir de Madagascar, izay ivondronan’ireo Diaspora sy ny hafa maro tsy voatanisa, hoy ny fampahafantarana nataon’izy ireo tetsy amin’ny Trass Tsiadana omaly. Tanora niainga tamin’ny tolon’ny 25 septambra, hoy ny filohan’izy ireo, Be-Rija Ravelomanantsoa, no tena mameno ny vovonana. Tanora mahatsapa ireo fa ilaina ny fanovàna ary isan’ny tanjon’ny vovonana ny fanaraha-maso ireo tomponandraikitra mba tsy hivaona amin’ny tolona ny ataon’izy ireo. Misoroka ny fako tsy hiditra anaty fanovàna, toy ny hoe misoroka ny fako tsy hanaraka lakan-drano, amin’ny maha Aroriaka azy ny AMF. Tsy afaka hiteny isika androany hoe mety ny zava-misy nefa misy kosa ny tokony harenina, hoy hatrany i Be-Rija Ravelomanantsoa. Tsy hisy hiandry fikaonandoham-pirenena vita eto, hoy kosa ny mpampaneno lakolosy isan’ny anatin’ny biraon’ity vovonana ity, Stan’ley Ramarovelo. Handefa mpikambana izahay, hoy izy, handrafitra ny vondrona hanamafy ireo mpandray anjara rehetra amin’ny fikaonandoham-pirenena. Mbola kifetifety sy fotoam-pivavahana hatreto no nandeha fa tsy fikaonandoham-pirenena. Olon’ny volomboasary ny 90% tao. Tsy maintsy hitondra vahaolana hanatsaràna izahay fa tsy afaka hanaiky fikaonandoha sadasada, hoy hatrany ny tenany! Tsy mila fifanarahana politika izahay fa hametraka drafitra hanarenana ny firenena, hoy ihany ny AMF. Rafitra tena mangaraharaha no ilaina, izany hoe, voasolo tena ao anatin’ny CENI daholo ny sehatra rehetra no andrasana. CENI tsy mitanila ka ho voabaiko sy hampanjaka ny hala-bato, hoy hatrany ny AMF tamin’iny omaly iny.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

  • KOLONELY PATRICK
  • Zoma 17 Aprily 2026

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Nomena ny TIM ny fitantanana

  • Kolonely RANDRIANIRINA MICHAEL
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Indroa saika hisy hamono

  • FIKAONANDOHA, FANAVAOZANA
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila mafy amin’ny serasera ny fanjakana

Hijery ny tohiny
FTT