Arivonimamo

Mihamafy ny disadisa eo amin’ny depiote sy lehiben’ny distrika


  • Alatsinainy 15 Septambra 2025

Mihamafy ny fifandirana ara-pitantanana eo amin’ny

Depioten’Arivonimamo Rajerison Antoine sy ny Lehiben’ny Distrika Arivonimamo, Rojo Razafindralambo, manoloana ny tsy fahatanterahan’ny tetikasa CIAD (Crédit d’Investissement pour les Actions de Développement) ho an’ny taona 2024. Araka ny Décret n°2020-833, dia andraikitry ny Lehiben’ny Distrika amin’ny maha « ordonnateur » azy ny miantso fivoriana miaraka amin’ny Maire sy ny Solombavambahoaka, handinihana sy hifidianana ireo tetikasa hampiasana ny vola CIAD. Ny Fitanana an-tsoratra na procès-verbal (PV) voasonia no porofon’ny fanapahan-kevitra alefa any amin’ny tompon’andraikitra ara-bola. Saingy, araka ny fanazavan’ny Depiote, dia efa nanomboka tamin’ny novambra 2024 ny taratasy fampahatsiahivana nalefa tany amin’ny Distrika, narahina « rappel » tamin’ny desambra, nefa hatramin’izao dia tsy nisy valiny. Tsy mbola nisy fivoriana “consultation” natao, ary tsy hita amin’ny birao ny lehiben’ny Distrika, hoy ny filazam-baovao nataony. Nambaran’ny Depiote fa vao niseho anaty Facebook ny Lehiben’ny Distrika milaza fa “efa nosoniavina tamin’ny zoma” ny programme d’emploi, nefa tsy nisy dingana ara-dalàna narahina. Vokany: tsy tafiditra tao anatin’ny “engagement budgétaire” ny CIAD 2024, mitentina 620 tapitrisa Ariary, ka very tombontsoa ny vahoaka. Nanamafy tamin’ny alalan’ny fanambarana hentitra io depiote io naneho hoe: “Tena leo tanteraka izahay!”. Nandefa fitakiana samihafa, ka anisan’izany ny fangatahana hanalana ny Lehiben’ny Distrika, ny fanarenana ny Sefo Fokotany tsy sitraky ny vahoaka, ny fanajàna ny fampanantenana momba ny jiro, ary ny fanajàna ny zon’ny mpandeha amin’ny RN1 amin’ny resaka ATT. Raha tsy misy fepetra raisina, dia nilaza fa hanatontosa hetsika lehibe izy sy ny vahoaka. Namaly mivantana kosa ny Lehiben’ny Distrika, Rojo Razafindralambo, nilaza fa tsy fahazaran-dresany ny mamaly fiampangana, saingy noho ny fangatahan’ny namany dia voatery nanao fanazavana. Nilaza izy fa nisy « programme d’emploi » nalefa, saingy tsy feno ara-teknika satria tsy nisy ny 2% fonctionnement sy ny TMP 8%. Nangatahina ihany koa ny « PV » an’ny fivoriana niaraka tamin’ny ben’ny tanàna, saingy tsy tonga. Nambarany fa tsy hanaiky ny « contrôle financier » raha tsy eo io PV io. Na izany aza, dia nosoniavina ihany ny « programme d’emploi », ary ho alefa na dia fantatra aza fa mety ho lavina. Nanamafy ny Lehiben’ny Distrika fa tsy tokony hifangaro amin’ny pôlitika ny CIAD, ary nampahatsiahy fa ny depiote teo aloha Rakotomanjato Rodin izay TIM, nefa nivoaka foana ny CIAD tamin’ny fotoanany. Mikasika ny fiampangana fa kamo sy tsy miditra birao, dia namaly izy fa any amin’ny “terrain” foana no asany, manoloana ny olana eny ifotony toy ny fanariana tany sy ny fahasahiranana amin’ny rano. Nambarany fa misy Depiote tonga tampoka ao amin’ny birao, mahita azy, ary miresaka tsara aminy. Asa hanao ahoana ny tohiny ?
ENCADRE
Nialohan’izao, dia nisy ireo tranga hafa mikasika ny depiote Antoine Rajerison toy ny resaka fisavana ny fiarany, ny fanakanana ny hetsika fizaham-pahasalamana maimaimpoana ataony,… Hivahiny manokana ao amin’ny Top Radio FM 102.8 moa ny depiote Rajerison Antoine anio amin’ny 8ora maraina hatramin’ny 9ora sy sasany izay hisy fahafahan’ny mpihaino mandray anjara ka dia andrasana izay hambarany.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • Gérard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT