ARFM

Miantso grevy faobe…


  • Alakamisy 08 Febroary 2024

Nahatsiaro manokana ny raharaha 7 febroary ny ARFM na ny

Antenimieran’ny Raiamandreny sy ny Foko eto Madagasikara ny andron’ny omaly, ka naneho fa tsy tokony havela ho very maina ny ra latsaka, fa mila tohizana sy faranana ny tolona nataon’ireo Raiamandreny tamin’ny taona 1947. Nanomboka ny andron’ny omaly io noho izany ny tolona hanavotana ny firenena hamerenana an’i Madagasikara amin’ny laoniny amin’izay, raha ny nambaran’izy ireo. Nilaza noho izany ny ARFM fa tena fananganana ny rafitra Malagasy no mila atao, fa apetraka ny rafitra ny rafitra tsy nampahomby antsika. Tsy maintsy hatomboka ny hetsika, ka hanentenana ny vondron-kery rehetra eto amin’ny firenena handray anjara sy handinika any amin’izay toerana rehetra misy azy any hoe : ataontsika ahoana amin’izay ny tanindrazantsika ? Nilaza mihitsy izy ireo fa ho mafimafy ny zavatra hatao satria tsy maintsy hamela fotsiny amin’izao ho votsotra eo am-pelantanan’ny Frantsay ny mpanjanantany. « Tokony ho efa hietritreritra amin’ny hoaviny amin’izay ny Malagasy fa tsy tokony hijanona amin’ny gidragidra tahaka izao ary mbola izao ihany ve no hotohizana ? Manaitra sy manentana ny rehetra, ary amin’ny sabotsy izao dia tokony ho efa maro ny olona hiakatra ety Antaninarenina, ary eto no hanombohana izay », hoy izy ireo, izay nilaza fa tolona anaty filaminana. Miantso ny herivelona rehetra sy ny sendika samihafa handinika ny hanamafisana ny tolona moa ny ARFM, mba hirosoana amin’ny grevy sy fampikatsoana faobe na « grève générale » saingy tsy maintsy holanjalanjaina ihany koa ny fiandrasan-draharaha ao anatin’izany, raha ny nambaran’izy ireo. Dia andrasana indray izany ny tohiny !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT