ARFM, hetsika eny Mahamasina rahampitso

« Tsy mihemotra manoloana ny ramatahora sy fisamborana »


  • Talata 25 Jona 2024

Tsy mihemotra, fa mitazona hatrany ny fijoroany hanao hetsika am-pilaminana eny ivelan’i Mahamasina rahampitso

26 jona hanamarihana ny fetim-pirenena ny ARFM na Antenimieran’ny Raiamandreny Foko Malagasy tarihin’ny Filohany Atoa Rakotondrasoa Noel. Manentana ny Malagasy ho tonga eny ivelan’i Mahamasina hatrany noho izany ny ARFM haneho amin’ny alalan’ny sora-baventy fa tsy azo ekena intsony izao. « Kolontsaim-panjanahana hangorona harena eto no napetraka tao anatin’ny 64 taona. Tsy izy izao, ary tsy fankahalana olona, na fankahalana mpitondra, fa ny Fanjakana amin’izao mihitsy no efa nilaza fa tsy an’ny Malagasy izany i Madagasikara ka ahoana ny toerana misy antsika. Anjaran’ny Malagasy no mandinika sy mieritraritra. », hoy ny Filohan’ny ARFM. Naneho fa rafi-pirenena misy rafi-piarahamonim-poko no mila hatsangana handrafetana ny fanjakana ho Firenena Malagasy vaovao. Firenena tokana hanjakam-paritra na « Etat Unitaire Régionalisé » no heverin’izy ireo fa tokony hapetraka eto amin’ny alalan’ny fitondram-panjakana manaja ny zo aman-kasin’ny faritra sy ny rafi-paritra hanana fahafahana sy fahefana hamaly ny filàna ao aminy, hivoatra sy hampivoatra ny misy azy, manome azy ny fahefana feno hitantana ny hareny sy ny fandrindrana ny fiarahamonina ara-tsosialy, toekerana, politika, diplaomatika. Navoitran’izy ireo, fa mila fitondram-panjakana manaja ny zo aman-kasina maha olona sy ny ainy, manome lanja ny rariny sy ny fahamarinana manaiky ny zava-baovao sy ny tena izy,… « Misy eritreritra any fa hatao hazalambo ny ARFM aorian’ny 26 jona ka efa fantatray izany, ka tsotra ny teninay hoe : azo atao ny hazalambo saingy efa tafita hatrany amin’ny 80% ny hafatra. Tsy mampaninona anay no samborina raha izay no mahasoa ny tany sy ny Fanjakana, ary izao manokana tsy mila an’izany fa antsoy an-tariby dia ho avy », hoy ny Filohan’ny ARFM . Nahitsy izy nilaza fa « tsy manan-tahotra fisamborana, ary aleo tsy henoina intsony ny feon’ny fahatahorana fa tsy misy na inona na inona vita eto. Tsy matahotra matoa manao izahay, fa ny firenena Malagasy dia tsy maintsy hafahana eo ambany vahoan’ny mpanjanantany na inon-kidona na inon-kihatra, ary na tsy eo aza ny Filohan’ny ARFM dia mbola betsaka ny afaka mitarika,... Tolona ho an’ny taranaka izao», hoy Atoa Rakotondrasoa Noel nanamafy fa tsy mihemotra. Andrasana izany ny rahampitso !
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT