Politique

Aretin’ny PM sy ny SGG Mazava izao ny antony


  • Alarobia 18 Novambra 2015

Mandalo fotoan-tsarotra ankehitriny ny fiadidiana ny primatiora eny Mahazoarivo noho ny fifamaliana niteraka aretina teo amin’ny Praiminisitra sy ny Sekretera jeneralin’ny govenemanta (SGG).

Mbola mitana ny sain’ny maro hatramin’izao ny zava-niseho marina tao amin’ny lapan’i Mahazoarivo ka nahatonga ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Ravelonarivo Jean sy ny sekretera jeneralin’ny governemanta Zafinandro Armand samy nalefa hotsaboina tampoka any ivelany izao. Fantatra ankehitriny fa nisy fifamaliana henjana teo amin’ny roa tonta ny alarobia heriny teo. Tsy nisy nety nanome fanazavana ny amin’ny votoatin’ny fifamaliana ny tao Mahazoarivo fa vinavina ihany no itenenana fa mety hisy ifandraisany amin’ny resaka vola ny raharaha matoa nantsoina koa ny tompon’andraikitra nisahana izany. Tsy niasa Atoa Zafinandro Armand izay efa fantatra fa taizan’ny diabeta ny ampitson’iny. Ny hariva ihany moa ny tenany dia nalefa tany amin’ny nosy La Réunion, hoe “hanao fanaraha-maso ny fahasalamany”. Ny zoma kosa vao fantatry ny praiminisitra ny zava-nanjo ity mpiara-miasa akaiky aminy, taorian’ny fizahan’ny mpitsabo azy tany La Réunion. Raha ny re dia nahazo ratra tany am-po ara-bakiteny mihitsy Atoa Zafinandro, mba tsy hilazana fa nisy triatra.

Tsikaritr’ireo mpiara-miasa aminy akaiky fa nanomboka teo amin’ny nahafantaran’ny praiminisitra izany zava-nanjo an’Atoa Zafinandro Armand izany no nanombohany nanjetoka ihany koa. Hanao ahoana ny hoavin’ny firenena amin’izao zava-mitranga rehetra izao ? Etsy an-kilany ny Filohan’ny Repoblika lasa any Italia indray. Dia izay mahalasa saina ny mpanara-baovao maro ihany koa ka mba tokony hitondran’ny ao amin’ny Fiadidian’ny Repobilika fanazavana. Mifanandrify matetika amin’ny fialan’ny sambo mpangalatra andramena eto Madagasikara hatrany ny fivoahan’ny Filoha any ivelany izay antenaina fa mitady izay atidoha mikotrika ity halatra andramena ity any ivelany any. Manaitra ihany koa etsy an-daniny ny fahanginan’ny masoivoho sinoa eto Madagasikara manoloana ity halatra andramena ity kanefa dia fanta-poko fanta-pirenena fa any Sina hatrany no iafaran’ireny hazo sarobidy ireny.

Rabri


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT