Arema

Vonona hatrany amin’ny raharaham-


  • Alakamisy 13 Novambra 2025

pirenena, miantso ireo manam-pahaizana

Efa ela ny antoko Arema no nivonona hitondra ny fanarenana ifotony an’i Madagasikara raha ny nambaran’ny sekretera nasionaliny teny amin’ny fasan’ny maherifo Avaratra ambohitsaina ny sabotsy teo, nahatsiarovana ny tsingerin-taonan’ny Filoha efa nodimandry Amiraly Didier Ratsiraka. Isan’ny nanagana ny vovonanana antoko antsoina hoe HFI na « Hery Fanarenana Ifotony » ny Arema hoy Annick Ratsiraka. Firenena manankerena i Madagasikara hoy izy ka azo atao tsara ny manarina azy na dia ao anatin’izao fahasairanana izao aza. Efa hatramin’ny taona 2023 ny antoko arema no nanolotra tolo-dalana teny anivon’ny antenimierampirenena ho fanatsarana ny tontolon’ny fifidianana , ho hatsaraina mifanaraka amin’ny zava misy izany tolo-dalana izany ary averina ho dinihin’ireo fahefana mpanao lalana indray. Ny tsy fahatomombanan’ny fifidianana no fototr’ireo krizy teto amin’ny firenena hatramin’izany. Nanamafy ihany koa ny Prince Elakovelo izay isan’ireo olona akaiky ny amiraly Didier Ratsiraka tamin’ny fotoan’androny fa ny filoha Didier Ratsiraka no filoha nahavita nitondra fampandrosoana tena izy hoan’i Madagasikara nandritra ny fotoana niasany ary mbola lovain’ny taranaka ankehitriny ny asa nataony. Isan’izany ny teo amin’ny lafiny fanabeazana izay nananganany EPP isaky ny fokotany, CEG isany ny kaominina, lycée isaky ny distrika ary Oniversite isaky ny faritany. 1200 isan-taona ny mpianatra nalefan’ny fitondran’ny Arema tany ivelany handrato fahalalana. Teo ihany koa ny tolona ho fanovana ny rafitra napetraky ny mpanjanaka , « Amin’izao dia tsy mandohalika intsony ny malagasy » hoy ny Prince Elakovelo. Ankehitriny dia mbola maneho ny fahavononany hitondra ny anjara biriky ho nan’ny fanarenana sy fanavaozana an’i Madagasikara ny Arema. Maro be hoy izy ireo manampahaizana novolavolain’ny Arema no manana ny toerany eo amin’ny sehatra iraisampirenena ary atokisan’ny mpamatsy vola. Vonona handray anjara amin’izao fanarenam-pirenena izao. Miantso ireo manampahaizana novolavolain’ireo mpitondra nifandimby ihany koa ny Arema hifanome tanana sy hitondra ny traikefany hoan’ny firenena.
Solotiana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Paul Rabary
  • Alarobia 22 Aprily 2026

«Apetraho dien’izao ny rafitra tsy mitanila!»

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT