Politique

Arema Vaovao Benjamin Tsy miray hevitra amin’ny ankolafy Ratsiraka


  • Zoma 04 Novambra 2011

Ilay Arema «mouvance» no antsoin’ny praiminisitra Beriziky teny Mahazoarivo tamin’ny alarobia, hoy i Vaovao Benjamin fa tsy ny antoko.

 Samy hafa ireo satria ny “mouvance” dia fitambarana antoko maromaro fa ny antoko dia olona no mpikambana ao. Izahay antoko Arema dia efa sady nangataka io resaka tetezamita io nanomboka tamin’ny nanaovana “conférence nationale unique” teny Andoharanofotsy, tamin’izay nanohitra ny fitondran’ny filoha Marc Ravalomanana ka rehefa nitsangana ny tetezamita dia nanohana tamin’ny voalohany izahay, nanao rangopohy tamin’ny 9 martsa ary manao sonia amin’izao fotoana izao. Ka tsy tompon’andraikitra amin’ny fanapahan-kevitry ny “mouvance” izahay fa ny antoko no tarihanay. Ka vonona hifampiresaka amin’ny praiminisitra ny Arema amin’ny antso nataony ka izao tonga ety Mahazoarivo izao ary nanolotra anarana hofidiana ho minisitra. Matoa misy fisaratsarahana amin’ny fandehanana ety dia porofo fa manana olana ny antoko, hoy i Vaovao Benjamin.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT