AREMA

Namboly hazo teny Tsiafahy


  • Alatsinainy 26 Febroary 2024

Nanatanteraka adidy masina ho an’ny tanindrazana, dia ny fambolen-kazo

tahaka izay efa fanaony isan-taona ny mpikatroka ao anatin’ny antoko Arema izay notarihin’ny sekretera nationaliny Ramatoa Anick Ratsiraka notronin’ireo comité directeur manerana ny nosy . Teny tsiafahy toy ny efa mahazatra azy ireo no nanaovana izany ny Sabotsy 24 febroary lasa teo. Tonga maro ireo mpikatroka satria manodidina ny 2000 mahery izy ireo no tonga teny an-toerana. Tsara rahateo ny andro ka notohizana tamin’ny korana sy ny fiaraha –misakafo izany. Eo amin’ny lafiny politika indray dia nilaza ny sekretera nationalin’ny antoko fa handray anjara amin’ny fifidianana solombavambahoaka sy ny ben’ny tanana izy ireo. Na izany aza dia nametraka fanontaniana amin’ny mpitondra ihany izy ireo manoloana ny fampiakarana ny petra-bola alohan’ireo kandida ho solombavambahoaka. Tany mahantra i Madagasikara hoy izy kanefa dia lafo lavitra noho ny petra-bola alohan’ny kandida ho filoham-pirenena any amin’ireo firenena mbola manan-katao noho isika no takiana amin’ny kandida solombavam-bahoaka. Sao dia mba fanakanana ny fandraisana anjara hoan’ny tanora ihany koa izao ?. Nanamafy ihany koa ity antokon’ny Amiraly ity fa vonona hiara-kiasa amin’izay antoko mitovy firehin-kevitra aminy ny Arema. Ho an’ny fandaharam-potoanan’ny antoko indray dia nilaza Ramatoa Anick Ratsiraka fa maro ny hetsika ho ataon’izy ireo amin’ity taona ity ka hanombohana izany ny fankalazana ny andron’ny vehivavy amin’ny 08 Martsa izao izany , ary hitohy amin’ny fanakalazana ny faha-48 taonan’ny antoko Arema amin’ny 19 martsa izao.
Pati
egende : Nafotaka ny fambolen-kazo nataon’ny AREMA teny Tsiafahy !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT