Politique

Arema Direction Collégiale Mitaky fitoniana


  • Talata 04 Oktobra 2011


 «Tokony hatsahatr’ireo olona sasantsasany manodidina ny filohan’ny FAT izay zatra ny lalan-dririnina hatrizay ka nampiongana ireo mpitondra nifandimby teto amin’ny firenena ny fitsabahana amin’ny raharahan-tokantranon’ireo vondrona politika ka lasa nampizarazara be ka mamparefo azy ireo. Tsy tokony hisalovana ny anjara asan’ny mpanao lalàna ny mpanatanteraka, atsahatra ny kabary mandrangitra miteraka fanafintohinana sy fankahalana eo amin’ny andaniny sy ny ankilany, torak’izay koa ireo fihantsiana amin’ny endriny rehetra hisorohana ny fanakorontanana ny saim-bahoaka(…)». Ampahany amin’ny fitakian’ny antoko Arema Direction Collégiale tarihin’ingahy Robson Jean Victor izay mandateran’ity antoko ity ireo. Tany amin’ny fiandohan’ny volana septambra no nahazoan’ny Arema Direction Collégiale ny tapakila laharana 3426 MIN/SG/DGAT/DAP/SL/PP izay manafoana avy hatrany ny teo aloha rehetra, araka ny lalàna.

Araka izany dia ity Direction Collégiale ity izao no mitondra ny Arema, hamelo-maso sy hanarina ny antoko mandrapahatonga ny kongresy nasionaly izay hatao ato ho ato, araka ny fanazavana. Fa ankoatra ireo dia takian’ny Arema Direction Collégiale koa ny fihaonan’ireo ankolafin-kery politika rehetra handinika ny famerana ny fotoana tsy maintsy hitsanganan’ireo andrim-panjakana voatondro ao anaty sori-dalana, eo koa ny tetiandro hamaranana ny tetezamita sy ny fandaharam-potoana hanatanterahana ireo fifidianana isan’ambaratongany. Ho an’ny Arema Direction Collégiale dia tokony ho hita taratra amin’ireo rafi-panjakana hajoro ny fifandanjana isam-paritra sy ny miralenta. Manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena moa dia nanapa-kevitra ity antoko ity fa tsy hitoka-monina. Anisan’ireo niara-namolavola sy nanao sonia ny dina repoblikanina ivondronana fikambanana politika maromaro izy ireo ary nandray anjara tamin’ny fifanatonana sy fifampiresahana teo amin’ireo ankolafy telo ihany koa.

 

Nangonin’i Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT