Politique

AOM Tokony ho vaindohan-draharaha ny lalam-pifidianana


  • Alatsinainy 30 Aprily 2018

Saika ho isan`andro no misy antoko politika na fikambanana manao fanambarana manoloana ny zava-niseho tamin`ny sabotsy lasa teo. Ho an`ny Antenimieran`ny Olobe manerana an`i Madagasikara (AOM) dia mila manalavitra ny disadisa samihafa izay entina hampisaraham-bazana sy ho fanapotehana indray ny firenena izay efa tafahitsoka lalina ny ankolafin-kery politika rehetra.

Tokony hampitsahatra ny fifampihantsiana ary hiara-kandinika amin`ny olobe to teny ny ankolafin-kery rehetra ho fanavotana ny firenena, hoy Ramarotsanga Barabasy, mpitondra tenin`ity Antenimiera ity. Nohamafisiny hatrany fa tokony ho vaindohan-draharaha ny famolavolana ny tena lalàna mifehy ny fifidianana hotanterahina tsy ho ela ka miantso ny ankolafin-kery politika rehetra hiara-kanangana ny governemanta vonjimaika ho fanomanana ny fifidianana. Tokony hodinihana dieny izao ihany koa, hoy ireto olobe ireto ny mety ho lalàmpanorenana na sata vaovao hitondrana an`i Madagasikara manomboka amin`izay filoham-pirenena vaovao ho lany eo.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT