Any amin’ny tsy mivonto no manaintaina

Depiote indray no te hiady hevitra eo amin’ny toeran’ny kandidà


  • Alatsinainy 09 Desambra 2024

Nangidihidy ny lohan’ny mpanara-baovao niheritreritra hoe ahoana koa ary izany

ny faran’ny herinandro teo rehefa naheno solombavambahoaka iray lany tao anatin’ireo boriboritany miisa 6 eto Antananarivo renivohitra fa raha misy ny te hiady hevitra amin’ny kandidà tohanany eto Antananarivo renivohitra dia izy antsoina fa tsy misy mahalala an’Antananarivo mihoatra azy. Mifarana ihany moa ity ny fampielezankevitra fa tsy mbola sahy niatrika adihevitra nanoloana ireo kandida miisa 6 hafa mifaninana aminy eto Antananarivo io kandidà io na indray mandeha aza. Any amin’ny tsy mivonto indray, araka izany, no manaintaina satria depiote indray no te hiady hevitra eo amin’ny toeran’ny kandidà ben’ny tanàna nefa adihevitra hifanatrehan’ireo kandidà no nokarakarain’ireo mpikarakara adihevitra. Hatramin’ireo mpikarakara ny adihevitra aza angamba mba lasa saina ihany koa hoe ahoana ary izany? Oviana teto ambonin’ny tany no efa nisy hoe antso fifanatrehan’ny solombavambahoaka, ohatra, no atao dia ben’ny tanàna no nisolantsolana tonga tao na sekretera jeneralina minisitera? Raha nasaina niady hevitra ve izany, ohatra, i Donald Trump sy Kamala Harris tamin’ny fifidianana ho filoham-pirenena amerikanina teo dia tsy maninona na i ny governoran’i Kalifornia teo aloha, Arnold Swarzeinegger, aza no nisolotena ny iray?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT