Antso vonjy politikan’ny mpanohitra

Tsy antenaina ny iraisam-pirenena raha tsy efa rotaka…


  • Alarobia 25 Septambra 2024

Nihaona tamin’ny solontena manokan’ny Kaomisionin’ny Vondrona Afrikana eto Madagasikara Alice Nzomukunda

ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, niresaka ny toe-draharaha ara-politika, ny tsy fahafahany mirotsaka, nampiseho ireo porofo maha nanara-dalàna azy,... Nilaza ny seraseran’ny Filoha teo aloha fa nanambara io diplaomaty io fa tsy mifanaraka amin’ny « Protocoles SADC » ny tsy famelana azy hirotsaka. Fitsidihana tsotra ihany niresahana ny fifidianana, ny tsy fahafahany mirotsaka, saingy tsy maka mitanila eo anatrehan’ny zava-misy ny Vondrona Afrikanina, ary tsy afaka hiteny amin’ny anaran’ny vondrona Rejionaly hafa toy ny SADC, hoy kosa ny seraseran’ny andaniny. Notsiahivin’ny seraseran’i Marc Ravalomanana fa ny fisian’io « protocoles » an’ny SADC io, izay nosoniavina tatsy Afrika Atsimo ny 20 jolay 2015, ka isan’ny voasoratra ny amin’ny andininy 4.1.7 ny fiantohana ny tontolon’ny fifaninana ara-pifidianana misokatra sy tsy manilikilika na manakana ny fahafahany mifidy sy fidiana amin’ny fifidianana rehetra. Ny andininy 4.1.9 izay maneho ny tsy maintsy hanajana ny tsy fitanilana sy ny fahaleovantenan’ny fitsarana, ny fikarakarana ny fifidianana, ary ny rafitra misahana ny fififidianana. Misy azo antenaina na ho an’i Marc Ravalomanana manokana na ho an’ny toe-draharaham-pirenena ankampobeny ve ? Nisy fahombiazana ve ny fitateran’ny mpanohitra an’ireny hatramin’izay ? Zava-dehibe ireny, saingy ny hita aloha, dia tsy miditra lalina ny sehatra iraisam-pirenena raha tsy efa tena misy gidragidra lehibe tsy voafehy eo amin’ilay Firenena, ka toa miandry afo amin’ny maty raha hanantena an’ireo tena hiditra an-tsehatra hiaro ny zo ara-politikan’olona na vondron’olona iray, na misy matetika aza ny fampahatsiavan’ny iraisam-pirenena. Izay mety ho resaka politika avo lenta any ambadika no tsy hay. « Manana ny fiandrianany i Madagasikara », io no firesaky ny fitondrana rehefa misy zavatra na fanambarana ataon’ireo diplaomaty mikasika ny tsy fetezan-javatra na tsy fanarahan-dalàna samihafa, raha tsy hilaza afatsy ny nilazan’ny Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina teo aloha sy ireo firenena maro fa manohintohina ny fifanarahana iraisam-pirenena mikasika ny zo politika sy zo sivily nosoniavin’i Madagasikara ny fanakanana ny fahafahana mamory olona ara-politika nialohan’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 2023. Tahaka izany ihany koa ny raharaha lalàna momba ny famosirana izay nangatahana ny fanoloana ambasadaoro mihitsy,… Mety hisy akony ratsy ara-diplaomatika, saingy tsy raharahian’ny fitondrana, fa ny fahombiazan’ny paikady politika no zava-dehibe aminy. Ny somary mahatsikaiky amin’ity toe-javatra iray ity fotsiny dia ny hoe : ny ho Filohan’ny SADC atsy ho atsy izany no tsy manaja ny « protocoles SADC » ka miverina indray ve ilay fanasokajiana tamin’ny tetezamita hoe : « sans qualité » na tsy misy kalitao ?
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT