Antso sy fanehoan-kevitra amin’ny haino aman-jery

Manomboka ny fangejana sy fampihorohoroana…


  • Zoma 28 Febroary 2025

Nandray fanapahan-kevitra miendrika fifehezana ireo haino aman-jery manoloana ny

fanehoan-kevitra masiaka sy mitsikera ny fitondram-panjakana ny OMC/REG (Organe Mixte de Conception Régional) ao anatin'ny faritra Sofia, araka ny teny mita navoakany ny 25 febroary 2025 lasa teo. Anton’izany raha ny voarakitra ao anatin’io ny fisiana fanambarana na fanaovana fandaharana manokana (émission spéciale) ataon'ireo vondron'olona, na olon-tsotra na olom-boafidy sasantsasany, izay miendrika fanambarana ara-politika matetika, amin'ireo haino aman-jery tsy miankina, izay nolazaina fa mivoy fanaratsiana na fitsikerana, na faniratsirana rafi-panjakana, na olom- panjakana, izay manhina fa rarán'ny lalána velona eto amin'ny firenena. Noho izany, nambara fa na inona na inona fidirana amin'ny haino aman-jery na ara-panjakana na mahaleo-tena ka misy ny fanehoan-kevitra na fanambarana ataon'ireo manao ny fanambarana, dia tsy maintsy handraisana tahirim-peo na tahirin-tsary (enregistrement), izay ataon'ireo toby (station) mandray ireo mpanao fanambarana; Raisina ho tompon'andrakitra avy hatrany ny orinasa raha toa misy fandikan-dalána na fanambarana mandika ny lalána manan-kery ataon'ireo vahininy, ka tsy nanaovana « enregistrement ». Nomena toromarika ny Tale misahana ny haino aman-jerim-mpanjakana (Directeur Régional de la Culture et de la Communication) ao amin’ny Faritra Sofia hanao fanaraha-maso hentitra sy hanao tatitra eo anivon'ny OMC/REG. Hijanona any Sofia sa hiitatra amin’ny faritra hafa ? Asa izay hambaran’ny Minisiteran’ny serasera na ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety na OJM manoloana itony fa ny sary mitranga aloha amin’ny lafiny iray dia misy endrika fanohintohinana an-kolaka ny demokrasia sy fampihorohoroana ireo haino aman-jery. Tiana haverina ny endrika sivana na « censure » tamin’ny alalan’ny fampiasana ny DGID (Direction générale de l'information et de la documentation) tamin’ny Fitondrana Ratsiraka tany amin’ny taona 70-90 ? Ny andininy faha-10 amin’ny lalàmpanorenana dia milaza mazava hoe : « Ny fahalalahana maneho hevitra sy miteny, ny fahalalahana eo amin’ny fifandraisana, ny fahalalahana manao gazety,… dia samy iantohana ho an’ny rehetra ary tsy azo ferana raha tsy hoe ho fanajana ny fahalalahana sy ny zon’ny hafa sy noho ny fahaterena hiaro ny filaminam-bahoaka, ny fahamendrehan’ny Firenena ary ny filaminan’ny Fanjakana. ». Nisafidy ny tany ho demokratika saingy tadiavana hihatery hatrany io, miha miditra hatrany any amin’ny jadona na « dérive dictatoriale » hampanjakana loko sy hevitra tokana, ka ny fanehoan-kevitra an-dalambe voasakana, ny fivoriana politika anaty efitrano mila alalana, ny mpanohitra lazaina fa tokony hofongorina, dia izao koa ny antso amin’ny haino aman-jery handraisana fepetra miendrika fampihorohoroana,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT