Antsiranana I

Nanendrena PDS ho solon’ny ben’ny tanàna lany 65,71%


  • Alakamisy 06 Febroary 2025

Na ny ben’ny tanàna Djavojozara Jean Luc aza no nolanian’ny vahoakan’Antsiranana I

ho ben’ny tanàna indray, dia tsy izay no sary miseho ankehitriny, fa nanendren’ny Fitondrana Rajoelina Filohan’ny delegasionina manokana na PDS. Atoa Tiana Edmond no voatendry hitantanana ny tanàna, mpiasan'ny tao ihany ity farany, lisitra faharoan’ny depiote Ibrahim issa Charles dit Bora Réglage tamin’ny fifidianana solombavambahoaka. Raha tsiahivina, tratry ny fanenjehana marolafy ity ben’ny tanàna ity, efa nialohan’ny fifidianana solombavambahoaka, ka tsy afaka nirotsaka tamin’izany. Notondroina ho nanao fanodinkodinam-bola, raharaha efa tany amin'ny taona 2017, ka nohenjehina ara-pitsarana niaraka tamin’ny olona 3 hafa, tao anatin’ny zotram-pifidianana. Namoahana didim-pitsarana manameloka azy 5 taona an-tranomaizina sy lamandy 20 tapitrisa Ar tany amin’ny volana septambra 2024, taorian’ny fandrotsahana antontan-taratasy firotsohan-kofidiana ho ben’ny tanàna. Tsy afaka nanao propagandy, saingy nolanian’ny vahoakan’Antsiranana tamin’ny salan’isa ambony dia ambony 65,71% araka ny didin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana na ny TAF ny volana janoary teo. Mbola nanao fampiakarana na « appel » mikasika ny fanamelohana azy ity olom-boafidy ity hany nandresy IRMAR tamin’ny renivohi-paritany ity, saingy io nosoloina PDS io, ka ny fifamindram-pahefana nanomezana fahefana ity PDS ity aza efa vitan’ny Fitondrana. Tratry sorona politika izany ny vahoakan’Antsiranana ka tsy olona nomeny fitokisana sy antenainy fa mbola hahavita be no hitantana ny tanàna.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT