Antsirabe I

> Mitarika mazava i Dr Robinson


  • Sabotsy 21 Desambra 2013

Nizotra am-pilaminana tamin’ny ankapobeny ny fifidianana fihodinana faharoa raha ny tao amin’ny Distrikan’Antsirabe I. Nisokatra avokoa ny fandatsaham-bato na teo aza ny olana amin’ny tsy fitovian’ny ora nisokafany.

Fa isan’ny olana hatrany ny fandavan’ny lehiben’ny birao fandatsaham-bato manome ny dika mitovin’ny fitanana an-tsoratra.  Velon-taraina mantsy ireo solon-tenan’ny kandidà Dr Robinson Jean Louis tany Betafo fa tsy mahazo izany dika mitovy izany izy ireo araka ny baiko hono. Ankoatra izany dia fantatra ihany koa fa tsy ampy akory ny takelaka fandraketana ny fanisam-bato hoan’ireo birao fandatsaham-bato sasany tany Betafo ihany. Raha ny teto Antsirabe dia azo lazaina fa nizotra araka ny tokony ho izy ny fanisam-bato na dia mbola nisy ihany aza ireo naneho hafaliana arakaraka ny kandidà notohanany avy saingy tsy niitatra hoam’ny fifandonana izany. Raha ny birao fandatsaham-bato nahazoana vokatra aloha tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa dia birao fandatsaham-bato telo tao amin’ny CEG Soamalaza no azo ka ho an’ny BV lah-1, Fokontany Antsenakely. 1048 ny mpifidy voasoratra anarana, tonga nifidy 648, vato maty sy vato fotsy 36, Hery Rajaonarimampianina nahazo vato 221, Dr Robinson nahazo vato 441. Ho an’ny Fokontany Tsarasaotra indray dia roa ny birao fandatsaham-bato ka nahatratra 1718 ny isan’ny mpifidy, 1001 no tonga nifidy ary 349 ny vato azon’ny kandidà Hery Rajaonarimampianina, 595 kosa no azon’i Dr Robinson. Tao anatin’ny oram-be tanteraka moa no nanisana ny vato tamin’izany ka nanahirana ny fitetezana ireo birao fandatsaham-bato.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT