Tsy ny kandidŕ avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana lazaina fa mpanohitra ihany no tonga manatitra ny antontan-taratasy fitarainana noho ny tsy fetezana maro sy ny hosoka tamin’ny fifidianana roa sosona niara-natao ny 20 desambra farany teo.
Na ireo kandidà avy amin’ny antoko malaza ho mpanohana sy mpanindrahindra fatratra ny fitondran’i Andry Rajoelina hatramin’ny niandohany toy ny Les AS tarihin’i Voninahitsy Jean Eugène aza dia anisan’ireo nanatitra ny azy teny amin’ny CES koa ny 31 desambra teo. «Resin’ny kandidà tsy miankina izay depiote teo aloha tao Antsalova ny kandidànay Les AS, dia Rtoa Pelops vadiko», hoy i Voninahitsy «noho ny hala-bato». Noraisin’i Voninahitsy ho porofo ny fitarainan’ireo delegena kandidà miisa telo izay samy nahazo ny salanisa 0% (aotra) avy tao amin’ny birao fandatsaham-bato telo tao amin’ity tanàna ity nefa ireo delege ireo dia samy nanizingizina fa nandatsaka ny vaton’ny kandidà nosoloiny tena avy.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.