Tsikaritra ho mahatoky tena fatratra ny filoham-pirenena am-perinasa Hery Rajaonarimampianina amin’izao fa hahomby ny tetika rehetra hahafaha-mandresy amin’ny fifidianana.
Toa mahazo toky amin’ireo namana fa ho manga hatrany ny lanitra. Matetika rehefa vory vahoaka no mbola mahita teny kely hoenti-mihantsy sy mandranitra ny mpanao politika tsy mitovy hevitra amin’ny tena. Mbola sahy mirehareha fatratra ho mahavita zavatra. Toa minia jamba sy tsy te hihaino ny kiana isan-karazany satria mahatoky ny kajikajy isan-karazany. Manomboka mikatso io ny kajikajy miainga amin’ny volavolan-dalàm-pifidianana sokajiana ho mitanila na nilaza aza ny praiminisitra Mahafaly Solonadrasana Olivier fa niainga tamin’ny lalàm-pifidianana tany amin’ny taona 2012 ny 80% ary ny 20% no soso-kevitra vaovao niainga tamin’ny fakana ny hevitry ny rehetra. Manomboka mijoro ny hery politika isan-karazany manohitra an’io. Midika fa mitsingevaheva ny filoha sy ny fanjakana, raha toa ka tsy lany eo io. Vao omaly ny praiminisitra teo aloha Jean Omer Beriziky no nilaza fa tokony ho nisy aloha ny fakana ny hevitry ny herivelona politika sy ny firaisamonim-pirenena vao hatolotra ny parlemanta ny lalàna. Ireny efa niaraha-nahita ireny ny fijoroan’ny Filohan’ny tetezamita teo aloha nanameloka ny mety ho tery vay manta hatao. Na tsy niteny nivantana aza i Marc Ravalomanana, dia efa eo ireo solombavambahoaka avy amin’ny antoko Tiako I Madagasikara nijoro nanameloka hatrany ny teti-dratsy tiana hapetraka momba io lalàna io. Etsy an-kilany anefa dia toa miezaka mampiseho ireo olon’ny fitondrana fa manga hatrany ny lanitra, izay azo hadika avy hatrany fa fampandriana adrisa ny filoha tsy hanana ahiahy. Mandeha ny resaka fa raha tsy lany io volavolan-dalàna io, dia tompon’andraikitra ambony maro eto amin’ny firenena no mety hoesorina amin’ny toerany. Tsy maintsy mandeha ny fakana ny fon’ny filoha ary tonga hatrany amin’ny famahanan-dalitra mihitsy aza tsy hanana ahiahy na dia efa manangasanga ny mety ho loza mitatao ho an’ity fitondrana ity. Manomboka mifoha amin’ny torimasony mantsy ireo hery politika sokajiana ho lehibe. Tsy hisy hanaiky mora rahateo eo raha toa ka hahomby ny fampandaniana ireo volavolan-dalàna fehizoro momba ny fifidianana. Ny fitondrana ihany koa efa mampibaribary sy te hampiseho fa mafy sy matanjaka, ka ahiana ho raikitra ny rombo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.