Politique

Antokom-pivavahana ivelan’ny FFKM Misy mampirisika tsy hisoratra anarana anaty lisitry ny mpifidy


  • Talata 24 Janoary 2023

Misy manda tsy hisoratra anarana anatin’ny lisitry ny mpifidy ny olona fa aza adinoina, hoy ny mpampaka teny eo anivon’ny CENI,

Soava Andriamarotafika. Safidin’ny olom-pirenena tsirairay iny, hoy izy, fa tsy azo terena amin’izany izy. Adidin’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI sy ny tsara sitrapo ny mifanentana. Ilaintsika satria zontsika ny misoratra anarana. Misy antoko politika mitaona ny olona tsy hisoratra anarana. Indraindray ireo mampirisika tsy hisoratra anio dia rahampitso mampirisika hisoratra dia rahafakampitso tsy fantatra intsony. Misy antokom-pivavahana mitaona ny mpinony tsy hisoratra anarana fa hoe aza miraika amin’ny fanjakana eto an-tany fa katsaho aloha ny fanjakan’Andriamanitra. Nifanehitra tamin’ireny izahay tamin’ny nanao fitsidiham-paritra. Misy kosa ny mpitondra fivavahana mihitsy no resy lahatra dia izy mihitsy no mitaona ny olona anaty fiangonana misy azy hisoratra anarana saingy tsy vita moa ny hoe andeha hitety ireo antokom-pivavahana mitaona ny olona tsy hisoratra anarana manerana ny nosy ireo. Fanentanana ankapobeny no atao ary mahomby amin’ny ampahany iny fa tsy amin’ny lafiny rehetra. Isan’ny fanazavana entinay, ohatra, ny hoe ireny rakitra ataonareo ireny anie tsy azo raha tsy anaty fiarahamonina eto ambonin’ity tany ity ianareo e! Dia mba resy lahatra ry zareo, hoy hatrany izy. Nomarihiny moa fa antokom-pivavahana ivelan’ny FFKM kosa ireo.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT