Nanao antso avo eo anatrehan`ny firenena ny Antoko Vonona Hijoro ho an`ny Tanindrazana (VHT). Nisafidy ny toerana tao amin`ny Telozoro Andrefanambohijanahary izy ireo nanaovany ny fanambarana manoloana ny zava-niseho teny Analakely ny 21 aprily 2018 izay nitarika faharatrana sy vono olona.
Nitodika tany amin`ireo mpiray tanindrazana nitaky sy niaro ny zony, ny filoha nasionaly Razanakoto Norbert Amorson. Nitondra ny teny fampiononana ho an`ny fianakaviany mana-manjo sy nirary fahasalamana haingana ho an`ireo naratra izy. Nambarany hatrany fa manameloka tanteraka ny fampiasan-kery amin`ny vahoaka maneho hevitra sy manao fitakiana momba ny zony. Tokony hampiharina ny fenitra mifehy ny mpitandro ny filaminana dia ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany fa tsy mendrika ny firenena Malagasy izao fandatsahan-dra izao. Tsy vahaolana, ny fihenjanana sy ny fiziriziriana ary ny hambom-po diso tafahoatra. Manentana ny rehetra, indrindra ny mpanao politika mba hampanjaka ny fihavanana malagasy hirosoana amin`ny fifampidinihana ahafahana miatrika sy mandamina ny ho avy tsaratsara kokoa ho an`ny Malagasy liam-pahafahana sy fandrosoana. Rehefa tsy manaiky ny fampidinihan`ny hery rehetra ny fanjakana amin`izao dia ho avy ihany ny ra mandrika, hoy hatrany ny fanazavana. Ny antoko VHT dia miara-dalana amin`izay tsy mamotika firenena ary anisan`ireo nanatrika ny fivorian`ny K3F izay natrehin`ny solontenan`ny Faritra rehetra ny 17-18 aprily 2018 na ny teto Antananarivo tamin`ny 21 aprily hatramin`izao sy ny tany Toamasina ny 23 aprily lasa teo.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.