Politique

Antoko Vato Fehizoron’i Madagasikara «Avelao hiasa am-pahatoniana ny praiminisitra !»


  • Alakamisy 10 Novambra 2011

Mahatsapa ny antoko VFM (Vato Fehizoron’i Madagasikara) fa misy mitady hanao lava tanana amin’ny praiminisitry ny marimaritra iraisana amin’ny alalan’ny teritery isan-karazany.

Manao antso avo amin’ny mpanao politika ny VFM, na ankolafy iza na ankolafy iza, hamela malalaka ny praiminisitra hiasa am-pahatoniana satria dia efa nankinina taminy ny fitokisana raha voatendry izy. Fantany ny zavatra miandry azy tamin’ny nanekeny io andraikitra io, hoy i Lehimitova Sylvestre, sekretera jeneralin’ity antoko ity. Miantso ireo ankolafy sasany mba hanaiky ny fanendrena ihany koa ny VFM ka hiditra amin’ny fananganana ny rafitra rehetra hajoro fa izay ilay fiaraha-mitantana. Etsy andaniny dia manantena ny praminisitra ry zareo mba hitandro sy hanaja ny fahasamihafana na eo amin’ny lafiny politika na eo amin’ny lafiny fiaviana satria izany no toe-tsain’ny tondrozotra. Mikasika ny famoahana ny gadra politika sy ny fampodiana ireo izay nanao sesitany ny tenany noho ny antony politika dia mihevitra ny VFM fa miankina amin’ny fijoroan’ny governemanta ary ny fitsanganan’ny Kongresy sy Filankevitra ambonin’ny tetezamita ny fandinihana ny amin’izany.

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT