Politique

Antoko Vahoaka Miray Famitaham-bahoaka no nataon’ireo efa depiote niverina minisitra


  • Alakamisy 01 Aogositra 2019

Maninona raha tsy mamita-bahoaka ireo depiote lany tamin’ny alalan’ny IRD, nefa niverina nandray ny toeran’ny minisitra nanendrena azy ireo indray ?

 

 

 

 Midika izany fa tsy ho tontosa an-tsakany sy an-davany ny fampanantenana nataon’ireo depiote lany ireo, tamin’ny vahoaka nifidy azy. Nambaran’ny antoko VAMI na Vahoaka Miray, ny sekretera jeneraly, atoa Gabhy Vakiniadiana, fa rehefa voafidy ho solombavambahoaka ireo depiote, dia voatendry ho minisitra. Voafitaka fanindroany ireo vahoaka, fa lasa  minisitra ireo olona nofidiany. Ny minisitra anefa tsy afaka hanatanteraka ny  fampanantenaina natao, fa ny depiote no nilokaloka tamin’ny vahoaka, fa hanatanteraka ny hetahetam-bahoaka izy ireo. Efa nampoizina ihany koa, hoy izy, ny fanovana ireo mpikambana tao amin’ny governemanta. Tsy ampy mantsy ny asa nitsarana azy ireo nandritra ny enim-bolana voalohany, ka mbola naverina indray. Ny teo  àry tsy hita izay asa mivaingana nataon’izy ireo, hoy ny fanazavana, koa andrasana indray ity enim-bolana faharoa izay hitsarana azy ireo ity, hoy hatrany izy. Mikasika ny fifidianana Ben’ny tanàna sy ny fokontany indray, dia mbola hanjakan’ny IRD hatrany io, hoy izy.

 

Sitraka r.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT