Politique

Antoko UNDD “Maika ny fampihavanam-pirenena”


  • Alatsinainy 05 Septambra 2022

Tsy hainay mpitarika sy mpikambana ato amin’ny antoko UNDD ny hangina. Miondrika ampanajana sy miara-miory amin’ireo havana namoy fianakaviana, vady, zanaka, mpiray tampo, mpiara-monina izahay,

manoloana ny zavamisy mampalahelo iainan’ny mpiray tanindrazana any Ikongo izay namoizana aina malagasy am-polony, hoy io antoko io naneho fiaraha-miory sy nitondra ny teny fampaherezana. Nirary fahasitranana haingana ho an’ireo maratra ary mankahery ireo mpitsabo manao ny ainy tsy ho zavatra mikarakara ireo marary sy maratra ihany koa. “Melohinay marindrano eto ny fakana an-keriny sy fampihorohoroana tsy misy farany ny zaza sy ny olona varira miseho lany etsy sy eroa izay loharanon’ity tranganjavatra mahonena ity. Tsapan’ny rehetra ankehitriny ary mbola hamafisin’ny zava-misy ny maha-zavadehibe ny fampihavanana amin’ny ambaratonga samihafa eto amin’ny tany sy ny firenena”, hoy hatrany ny UNDD. Nomarihiny fa ny Fampihavanam-pirenana izay nataon’ny antoko UNDD filamatra no antoky ny fampivoarana sy fiarahamonina mirindra. Nanainga ireo mpitondra mahefa isan'ambaratongany hanao laharampahamehana izany Fampihavanam-pirenena tena izy hatrany ifotony izany izay ambaran’izy ireo ahafahan'ny rehetra miara-manarina ny Firenena iombonana noho izany io Antoko io.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT