Politique

Antoko TIM «Tsy izao izahay vao handeha hanongam-panjakana »


  • Zoma 24 Febroary 2023

Taorian’ny taratasy nalefan’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana sady Filoha Nasionalin’ny TIM tamin’ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta sady Lehiben’ny fitantanan-draharaham-panjakana,

tonga teny aminy CENI ny birao politikan'ny antoko TIM omaly, niresaka sy naka ny hevitr’io Vaomieram-pifidianana io. Anton’izany ny fisian’ny fanakatsakanana ny hetsika ataon’ny antoko politika mikasika ny fanentanana ny olom-pirenena hisoratra anarana aminy lisi-pifidianana, raha ny nambaran’ny TIM. Araka ny tatitra nataon’ny Sekretera Jeneralin’ny TIM Rina Randriamasinoro, nilaza ary nanamafy mihitsy ny Filohan’ny CENI fa tena ilaina ny fandraisan’anjaran’ny herivelona rehetra eto amin’ny firenena amin’ny fanentanana ny olona hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana. Nanamafy fa ilaina ny fanentanana, hoy ny tatitra. « Ny governemanta ohatry ny mialokaloka foana amin’ny hoe : fanakorontanana, izahay tena milaza fa tsy izao izahay vao handeha hanongam-panjakana. Izahay tena hanao izay hanentanana ny olom-pirenena handray anjara amin’ny fifidianana, ary tsy misy zavatra takianay afatsy ny fifidianana madio satria izay ihany no ahafahan’ny firenena miala amin’ny fahasahiranana. Tsy tsara intsony raha izao no mbola hisy krizy politika”, hoy i Rina Randriamasinoro. Nanamafy noho izany ny TIM fa aleo miara-miatrika fifidianana, aleo hisy fitoniana mialohan’izay, aleo hadio ny fifidianana hanan’ny vahoaka fitokisana, ary izay tena lanim-bahoaka no tokony hivoaka eo. Manamafy ny fitakiana fahalalahana hanao fanentanana ara-politika noho izany ny TIM, ary nampahatsiahy fa sady voafaritry ny lalàna mifehy ny antoko politika izany no ao anatin’ny lalàm-pifidianana. Momba ny lisi-pifidianana moa, efa mihoatra ny 10 tapitrisa ny voasoratra raha ny antontan’isan’ny CENI nampitainy tamin’ny TIM, ary tokony hotohizana ny fanentanana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT