Antoko TIM

«Tsy azo havela hanjaka tokana ireo eo amin’ny fitondrana»


  • Alatsinainy 05 Febroary 2024

Nanateraka fambolen-kazo teny Imerikasinina ny Antoko TIM ny sabotsy lasa teo.

Iaraha-mahalala ny fiovaovan’ny toetr’andro amin’izao fotoana ka raha tsy mandray andraikitra isika amin’ny fiarovana ny tontolo iainana dia hisy vokany ratsy eo amin’ny firenena sy ireo taranaka mifandimby izany, na eo amin’ny lafin’ny fahasalamana, ekonomika, ary indrindra eo amin’ny fambolena sy fiompiana izay mbola tena zava-dehibe tokoa ho antsika Malagasy, hoy ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Naneho fa tsy tokony atao fombafomba fotsiny ny fambolen-kazo fa tokony ho raisina ho adidy amin’ny firenena mba hamerenana indray ity nosy misy antsika ity ho nosy maitso. Afaka manentana sy manohy ny fambolen-kazo ihany koa ianareo rehefa tafaverina any amin’ny faritra niavianareo tsirairay any, hoy ny toromarika nataony. Ara-politika, nilaza ny TIM fa antoko matanjaka ka tsy maintsy mijery ihany koa ny lafin’ny politika, indrindra ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana rehetra ho avy izao. Misy ambaratonga tsy maintsy hatrehana ka anisan’ny voalohany amin’izany ny fanentanana ny mpikambana sy ireo mpanara-dia sy mpanohana rehetra mba tsy maintsy hisoratra anarana ao amin’ny lisi-pifidianana satria efa misokatra izany ary hikatona tsy ho ela, hoy ny toromarika nomena ireo mpikatrika. Milaza noho izany io antoko io, fa tsy avela hanjaka tokana eto ireo eo amin’ny fitondrana fa tsy maintsy atao izay hananana olom-boafidy marobe, indrindra eo amin’ireo fifidianana rehetra ho avy, izay fifidianana manakaiky vahoaka kokoa.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT