Politique

Antoko TIM “Sarintsarina lisi-pifidianana io, manasa tànana izahay”


  • Alatsinainy 17 Oktobra 2022

Tapa-bolana katroka taorian’ny nanombohan’ny fanaovaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy, namoaka fanambarana ny avy amin’ny Antoko TIM tarihin’I Marc Ravalomanana ny sabotsy 15 oktobra 2022 lasa teo. Nilaza ny TIM fa tsy manaraka ny fenitra araka ny tokony ho izy satria maro loatra ireo lesoka sy tsy fahatomombanana.

Anisan’izany ny “opération jugement supplétif” sy ny karapanondrom-pirenena izay nomarihin’io antoko io fa betsaka ny kaominina no mbola tsy nanomboka, tsy ampy ny fanentanana ny vahoaka, tsy ampy ny fanaraha-maso sy ny fanadihadiana ary ny fanamarinana atao amin’ny olona mandtritra ny fotoam-pitsarana ka toa zary manome lalana ny olona sasany hanana CIN na karapanondro maromaro mety hitarika “doublon” indray amin’ny fifidianana. Mikasika ny fanisana ny mpifidy, milaza io antoko io fa betsaka ny fokontany mbola tsy manomnnoka, maro ireo olona tsy mandray ireo mpanisa mpifidy tonga ao an-tokantranony, tsy mitovy ary tsy ampy ny fitaovana ampiasain’ny mpanisa mpifidy manerana ny Nosy, misy fanisana mpifidy ataon’ny filoham-pokontany ankoatra ny ataon’ny mpanisa avy amin’ny CENI izany hoe: misy “recencements parallèles”, hoy ny TIM. Nomarihin’io antoko io ihany koa fa mbola misy ireo mampiasa lisitry ny mpifidy teo aloha, maro ny CLRE (Comité Local de Recensement Electoral) tsy mamela ny solontenan’ny antoko politika hanara-maso ny asa fanavaozana ny lisitry ny mpifidy. Nahitsy noho izany ny TIM nilaza fa ireo tsy fahatomombanana ireo dia midika fa tsy ho tanteraka ny fanaovaozana ny lisitry ny mpifidy feno, madio, ary marina, izay fototra ahafahana manatanteraka fifidianana marina, mangaraharaha, ary eken’ny rehetra. Taorian’ny fivorian’ny Birao politikan’ny TIM, laviny ny fomba fiasa sarintsarina fanavaozana ny lisitry ny mpifidy satria ho lisitra tsy azo antoka no hivoaka. Nanome toromarika ny mpikambana ao aminy tsy hiditra ary tsy hiray petsapetsa amin’ny fandrafetana ny lisi-pifidianana noho izany ity antoko ity. Nanitrikitrika fa tsy afaka hanomana fifidianana marina sy tsy mitanila ny CENI amin’ny endriny ankehitriny. Mitaky hatrany ny fanaovana fikaonandoham-pirenena ny TIM, ary nanamafy fa io no làlana ahafahana mitondra vahaolana amin’ireo fifidianana ho avy rehetra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT