Politique

Antoko TIM Hosakanana ny Magro Behoririka amin’ny zoma ?


  • Alarobia 22 Febroary 2023

Ny zoma 24 febroary 2023 izao no fotoana nofaritan’ny Antoko TIM tarihin’i Marc Ravalomanana hanaovana hetsika fifampiarahabana tratry ny taona etsy amin’ny Magro Behoririka sady fanentanana ny olom-pirenena hisoratra

anarana amin’ny lisi-pifidianana, raha ny fanentanana efa mandeha. Nilaza kosa anefa ny Prefen’Antananarivo Jeneraly Ravelonarivo Angelo fa, toerana akaiky làlana sy tsena, ka tsy azo hanaovana hetsika politika, ka tokony hafindra amin’ny toerana hafa. Tsy mbola nangataka toerana hafa anefa ny TIM hatramin’ny omaly atoandro tamin’ny 12 ora, ka nilazan’io tompon’andraikitra io, fa mbola manana 48 ora ahafahana mangataka alalana amin’ny toerana hafa. “Tsy maintsy mila fahazoan-dàlana foana na toerana tsy miankina aza. Tsy mitovy ny fepetra horaisina amin’ny hetsika ara-kolontsaina sy ara-pivavahana mitaha amin’ny hetsika ara-politika, izay tsy maintsy jerena mialohan’ny hamoahana fahazoan-dàlana. Tsy izy no hanakorontana fa mety hisy ny olon-kafa avy any ivelanyy na “intrus” mety voakaraman’olon-kafa hanakorontana”, hoy ity jeneraly ity. Nambarany fa tsy mety etsy amin’ny Magro raha ny tokony ho izy satria mety hisy ny fanohintohinana noho izy akaiky tsena, làlana,… ka izay no nanakanana azy hatramin’izay, hoy izy. Hatramin’izay tsy nekena teo, raha toa ka tsy nisy sakantsakana teny amin’ny Magro Tanjombato, hoy hatrany ny Jeneraly Ravelonarivo Angelo. Miverina mihamafy indray izany ny fanakantsakanana an’i Marc Ravalomanana sy ny TIM. Ny Filoha teo aloha izay vao nandefa taratasy tany amin’ny Praiminisitra omaly momba ny tokony hamelana azy ireo malalaka ka asa hoe: hisy valiny mahafa-po sa henoy izany ry hazon-damosiko. Tsy i Marc Ravalomanana irery, fa andro vitsy ihany koa izay no voasakantsakana i Maharante Jean de Dieu tany Toliara.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT