Politique

Antoko Tiako I Madagasikara Efa manana olona atao filohan’ny mpanohitra


  • Talata 16 Jolay 2019

“Faly izahay milaza amin`ny vahoaka Malagasy fa handray ny andraikiny amin`ny maha antoko mpanohitra azy ny antoko Tiako I Madagasikara, indrindra tsy handiso fanantenana amin`ny vahoaka.

 

 

Andraikitra feno hitondra ny firenena mankany amin`ny lalàna izy, satria izany no atao hoe soatoavina demokratika”, hoy Rtoa Olga Ramalason, sekretera jeneralin`ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM) omaly. Voaray teo anivon`ny ministeran`ny atitany ny taratasy fanekena fa mpanohitra amin`ny fomba ofisialy ny antoko TIM. Voalaza sy voamarina araka ny taratasy lah 01-MID/SG/DGAT/DAT/SLPAP, izay manambara fa mpanohitra araka ny lalàna lah 2011-013 tamin`ny 09 septambra 2011 izay mifehy ny fanoherana sy ny antoko mpanohitra. Midika fa ofisialy ny maha antoko mpanohitra ny Tiako I Madagasikara sady izy irery no nahafeno fepetra ho mpanohitra takian`ny lalàna eo anivon`ny minisiteran`ny atitany. Voalaza ao anatin`io lalàna io fa isaky ny vita ny fifidianana solombavambahoaka dia afaka mametraka ny taratasy sy manambara ny maha antoko mpanohira azy. Midika izany fa tokony hiaraka hodinihana miaraka amin`ny birao maharitra, izay handrafitra ny Antenimieram-pirenena, ny toeran`ny lehiben`ny mpanohitra.  Ny lalàmpanorenana dia manome zo fototra  amin’ny fisian’ny antoko mpanohitra ka ao anatin’izany ny fanomezana seza ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena ho an`ny mpanohitra. Nohamafisiny fa feno ny fepetra ka mila apetraka ny filohan`ny mpanohitra eo anivon`ny Antenimieram-pirenena ary mizaka ny zon`ny solombavambahoaka araka ny lalàna. Mitaky kosa ny antoko TIM ny fampiharana ny lalàna 2011-013, izay tamin`ny taona 2011 no nandaniana azy sady fotoana nitondran`ny filoham-pirenena ankehitriny. Araka izany, tsy tokony hisy zavatra hokianina intsony amin`ny fanoherana ankehitriny, hoy hatrany Rtoa Olga Ramalason. Efa tapaka nandritra ny kongresin`ny antoko Tiako I Madagasikara ny faran`ny herinandro teo ny olona izay hipetraka eo amin`ny toeran`ny filohan`ny mpanohitra saingy tsy hambara izany amin`izao fotoana izao. Ny azon`ny antoko lazaina dia izy hijoro ho arofanina eto amin`ny firenena. Mandalina ny demokrasia isika dia azo ekena ny antoko mitondra fanoherana na koa entina manatsara zavatra satria misy pitsopitsony hatao dia azo atao ny mitady ilay didim-panjakana hitondra ny fampiharana iny lalàna iray iny.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT