Antoko Tia Tanindrazana

« Tena betsaka ny hosoka sy fandikan-dalàna »


  • Alakamisy 12 Desambra 2024

Henjana ny trangana hosoka sy hala-bato hitam-poko hitam-pirenena, endrika fandikan-dalàna

maro tsy hita isa no hita, misy bileta efa voamarika mialoha hita sy tratranay teny Ambohitsoa, misy fiara mampiahiahy mitety birao fandatsaham-bato nitatitra olona hifidy, hoy ny Antoko Tia Tanindrazana tamin’ny alalan’ny mpahay lalàna Rtoa Vola Ny Aina Ramanamizao omaly tolakandro. Teny Anosizato Atsinanana dia ny Filoham-pokontany mihitsy no mirotsaka manome « ordonnance » ny mpifidy, ary rarana ny delegen’ny kandida hafa ankoatran’ny an’ny kandida iray mba hijery ny karapanondron’ireo mpifidy hanamarina. Tany 67Ha Avaratra Atsinanana eo amin’ny CEG dia misy mpitandro filaminana eo amin’ny 80 eo rehefa tratra teo amin’ny birao fandatsaham-bato teo Anosibe izay nisy polisy tonga dia lasa nitsoaka nifindra teny amin’ny CEG 67HA. Nanipika ity mpahay lalàna ity, fa ananana porofo daholo ireo « ordonnance » tratra, hoy izy. Niantso ny vahoaka hiaro ny safidiny ny Tia Tanindrazana eo anatrehan’ny fisian’ny kandida izay manao vy very ny ainy amin’ny fandrombahana fandresena tsy ara-drariny, niantso ny hanamafisana ny fananganana ny andrimasom-pokonolona eo anatrehan’ny fandikan-dalàna. Nitondra fampitandremana ho an’ireo mitetika hanodikondina ny safidim-bahoaka, fa hijoro hiaro ny safidin’ny mpifidy, hijoro hanohitra amin’ny heriny rehetra hanenjika ny fandikan-dalàna ny Tia Tanindrazana, raha ny nambaran’ity mpahay lalàna ity hatrany.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT