Antoko Tia Tanindrazana

« Ny vina sy hevitra no andao hampiresahana »


  • Alakamisy 10 Oktobra 2024

Ny laharana N°2 no voasarika ho an’ny kandida Tahina Razafinjoelina amin’ny fifidianana ben’ny tanàna eto

Antananarivo nandritra ny antsapaka omaly tetsy amin’ny OVEC Isotry. Laharana tsara dia tsara io satria aza adino fa misy ny mieritreritra hoe : « outsider » izahay, ka tsy mampaninona anay fa raisinay am-panetren-tena, fa aza adino fa iny no hitondra anay any amin’ilay hoe : mety ho lany izahay, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny Antoko Tia Tanindrazana Schall Ramanantsoa taorian’ny antsapaka. Nanamafy izy rehefa nanontaniana ny tamberiny avy amin’ny vahoaka eo anatrehan’ny vina atolotry ny Tia Tanindrazana, fa raha niainga tamin’ny fandaharana manokana ny zoma lasa teo, dia tena maha velom-bolo ny setriny, manohina ny antso ny olom-pirenena, ary mbola hanaovana antso avo amin’ireo resy lahatra amin’ny vina izay natolotra, fa misokatra midanadana ny varavaran’ny antoko Tia Tanindrazana ahafahana mifanome tanana.
TSY TSANGAN’OLONA FA TSANGAN-KEVITRA SY VINA NO HAMPIRESAHANA
Eo anatrehan’ny hoe : fisiana olona na antoko efa manana mpifidy resahina sy lazaina fa efa manana mîfidy tsy azo hozongozonina sy ny resaka fanompoana tsangan’olona fa tsy tsangan-kevitra hoenti-mampandroso ny tanàna sy ny Firenena, dia naneho ny Sekrtera Jeneralin’ny Tia Tanindrazana rehefa nanontaniana, fa tsy mora tokoa io, saingy amin’izao vanim-potoana iainantsika izao dia mila taperina io, ka tsy tsangan’olona fa tsangan-kevitra ary ny vina no tokony hampiresahana. Ho hitantsika eo fa izahay matoky fa hihaino ny vina izay atolotray ny vahoakan’Antananarivo sy ny mponina eto, hoy hatrany Atoa Schall Ramanantsoa. Mila jerena akaiky manomboka eto, ary tsy misy afatsy ny olom-pirenena mijoro no hanatratra ny tanjona, ka nanentanany ny olom-pirenena handray andraikitra sy ho tonga mifidy. Isika miara-mientana no tokony hiady amin’ny hala-bato ho fiarovana ny hasin’Antananarivo sy ny hasin’ny firenena mihitsy, ka nanentanany ny mpifidy rehetra mba havitrika hifidy amin’ity indray mitoraka ity satria ny ho avin’ny tanàna no lokan’ady na « enjeu » amin’ity fifidianana ity. Rehefa tonga maro ny mpifidy dia sarotra ny manao hala-bato, hoy hatrany Atoa Schall Ramanantsoa. Momba ny fanokafana ny lisi-pifidianana, dia tsy olana amin’ny Tia Tanindrazana rehefa manaja lalàna satria manara-dalàna ny antoko. Tokony hazavain’ny CENI tsara fa tsy ny « ordonnance » no entina mifidy, fa ny didy avy amin’ny fitsarana no entina hahafaha-manoratra anarana. Tokony hotandremana tsara satria mety ho loharanon’ny hala-bato. Mametraka fomba fiasa maty paika hiatrehana an’ireny ny Tia Tanindrazana, misy ireo vondrona mpahay lalàna mandinika ny paikady rehetra hiatrehana an’io, raha ny fanazavana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT