Politique

Antoko Teza Tsy miara-miasa amin’ny HVM


  • Zoma 20 Novambra 2015

Nazava ny fanehoan-kevitr’Atoa Jean Louis Rakotoamboa filoha nasionalin’ny antoko TEZA mikasika ny fifidianana loholona hirosoana ankehitriny

 

. Tsy handray anjara amin’ny fifidianana ry zareo tahaka ny tsy nandraisany anjara mihitsy tamin’ny fifidianana fananganana ireo rafitra amin’ity Repoblika fahefatra ity. Ny antony dia satria “heverinay fa fifidianana kitoatoa no atao eto ka tsy te hataon’ny olona fampihaingoana sehatra fotsiny ny Teza amin’izany”. Ny Teza koa, hoy ity filoha nasionaliny ity dia tsy miara-miasa amin’ny fitondrana ankehitriny satria anisan’ireo tsy nanampy tamin’ny fametrahana ny filoha Rajaonarimampianina tamin’ny toerany no tsy nifidy azy rahateo tamin’ny fifidianana satria betsaka ny hevitra tsy hitovizana. Anisan’ny tsy hitovizan-kevitra koa ankehitriny ny amin’ny fiaraha-mitantana amin’ny Frantsay an’ireo nosy manodidina na ny “iles éparses” fa tena famadihana tanindrazana izany aminay. Nisy ny fifanarahana na “convention” eran-tany natao tany Montego Bay tany Jamaïc tamin’ny fotoanandrony nilaza fa ao anatin’ny 200 miles (1 mile = 1,85 km) manodidina ny nosy iray dia mbola tafiditra ao anaty “zône d’expansion économique” an’io nosy io daholo. Izany hoe mbola tafiditra ao daholo ireo nosy manodidina resahana ankehitriny ka tokony haverin’ny Frantsay amintsika tsy misy tambiny. Efa nilazalaza ny tokony hiresahana an’ity resaka nosy Madagasikara ity ny Firenena Mikambana tamin’ny taona 1979 fa ny Frantsay dia mametraka hatrany olona azony baikoana tsara hiaraka aminy. Rehefa ny tompony no manaiky hiaraka hiasa, inona intsony no holazain’ny Firenena Mikambana amin’izany ? Eo amin’ny hetsika fitakiana an’ireo nosy Madagasikara ireo dia samy manana ny fomba fijeriny ny toe-draharaha ny tsirairay avy ka mbola be ny hevitra tsy hitovizanay amin’ireo mpanao fihetsiketsehana ankehitriny no tsy hiarahanay amin’izy ireo.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT