Fihetsika voalohany tokony hotanterahin’ny praiminisitra Beriziky ny famoahana ireo gadra politika rehetra sy ny famahana ny haino aman-jery na ny haino aman-jerim-pirenena na ireo tsy miankina nakatona satria tsy nitovy hevitra tamin’i Andry Rajoelina.
Tsy maintsy jerena ny maha olona, hoy ny antoko Teza, izay anisan’ireo antoko politika mandrafitra ny firehana Ravalomanana. Araka ny fanazavan-dRakotoamboa Jean Louis, filoha nasionalin’ity antoko ity, dia tsy mila vola ny fanatanterahana ireo ka tsy misy antony tsy tokony hanaovana izany. Manainga ny profesora Zafy Albert izay nitsodrano sy niantoka ara-moraly an’ingahy Beriziky ny Teza mba hanery ity farany hamoaka ireo gadra politika izay mijaly fadiranovana, na izy ireo na ny vady aman-janak’izy ireo. Nanainga ny profesora ihany koa ity antoko ity mba hanery an’ingahy Beriziky handamina ny fodian’ireo sesitany politika tsy misy hatak’andro. Araka ny fanazavan-dRakotoamboa Jean Louis ihany dia samihafa ny hetsika politika sy ny hetsika famonoan’olona na fandrobana sy ny kolikoly.
Tsy misy hidiran’ny resaka famonoan’olona ny fifampiraharahana eo amin’ny resaka politika, hoy izy satria tsy misy tsimatimanota izany eto amin’ny firenena ka tsy maintsy enjehina araka ny lalàna. Nambarany fa mbola mialokaloka any anatin’ireo ministera isan-tokony any ireo mpangalatra sy mpamono olona. Tetsy andanin’izany dia nasian’ny Teza resaka ihany koa nandritry ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety tetsy Faravohitra ny sabotsy lasa teo ny momba ny raharaha anatin’ny ankolafy Ravalomanana. Nambarany fa tokony ho modely amin’ny resaka demokrasia ity firehana ity ary mila iainana izany fa tsy kabariana na lazaina fotsiny. Anisan’ny firehana fahavalon’ny Frantsay ny ankolafy Ravalomanana, raha ny fanazavan-dRakotoamboa Jean Louis ihany. Mila miady hevitra ireo mpiray ombon’antoka rehetra ao anatina demokraisa, hoy izy ka izay tapaka eo dia iaraha-manaiky ny vokany.
Rehefa misy fanapahan-kevitra raisina, hoy ihany ny Teza dia tokony iaraha-manana izany. Manoloana izany rehetra izany dia manao antso avo amin’ny filoha Ravalomanana, izay filohan’ny ankolafy ny antoko Teza mba handray andraikitra manoloana ireo volo manoha randrana ao anatin’ny ankolafy tarihiny. «Misy olona ato anatin’ny ankolafy Ravalomanana manao izay tsy hiverenanao», hoy izy koa «raiso ny andraikitrao», hoy ihany Rakotoamboa Jean Louis. Mbola mahabe resaka moa ny fidiran’ny ankolafy ao anatin’ny tetezamita sy ny lisitra natolotr’ity ankolafy ity. Notsongain’ny Teza tamin’ireny, ohatra, ny fanolorana an’ingahy Sevambony Simon ho minisitry ny fifandraisana, izay sady natolotry ny firehana Ravalomanana no natolotry ny Escopol izay ahitana an-dry Vyvato Rakotovao, izany hoe ireo nisintaka teo anivon’ny TIM. Henatra ho an’ny ankolafy ny fisiana toe-javatra toy izany, araka ny fanazavana ihany.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.