Antoko Teza

> Hampandany an’ny kandida Robinson Jean Louis


  • Alarobia 27 Novambra 2013


Hiditra an-tsehatra amin’ny fampandaniana ny kandidan’ny Avana ny dokotera Robinson Jean Louis ny antoko Teza amin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa izay hotanterahana ny zoma 20 desambra 2013 ho avy izao, araka ny nambaran’ny filohany Rakotoamboa Jean Louis nandritra ny tafa tamin’ny mpanao gazety notanterahana teny amin’ny hotely La Rotonde omaly talata 26 novambra 2013. Rehefa tsy nandray anjara mihitsy ny antoko nandritra ny fihodinana voalohany dia izao tapa-kevitra hanohana ny kandida tohanan’ny ankolafy Ravalomanana izao. Tao anatin’ny fotoanan’ny fihodinana voalohany tamin’ny fifidianana dia nidina teny ifotony ireo tompon’andraikitra mpitarika ny antoko nanontany sy nihaino ary naka ny hevitr’ireo mpikambana teny amin’ny fototra. Taorian’ny fifampidinihana tamin’ny kandida tenany ihany koa dia resy lahatra ny antoko ny amin’ny fandaharan’asany izay misy vina sy fomba fijery mitovy amin’ireo foto-kevitra ijoroan’ny Teza izay miainga amin’ny Fokonolona. Ankoatra izay dia mangetaheta ny fiafaran’ny krizy ihany koa ireo mpikambana ao amin’ny antoko izay mifototra amin’ny olana ara-drafi-pitantanana. Mila jerena akaiky ihany koa ny fototry ny fampandrosoana ny firenena sy ireo sakana maro mahatonga ny fahantrana eto Madagasikara. Nanambara moa Rakotoamboa Jean Louis fa tsy manana kandida amin’ny solombavambahoaka ny Teza. Ny antony dia satria tsy mety amin’ny antoko ny lamim-pifidianana izay napetraka.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT