Politique

Antoko Tamami Nivoaka ny efitrano fivoriana…


  • Alatsinainy 12 Aogositra 2019

Araka ny fanazavana nentin’ny filohan’ny antoko Tamami, atoa Samiary Floriot, maro ireo mpanao politika nivondrona tetsy amin’ny Carlton no tsy ara-dalàna nefa mialokaloka ao

 

 

 

ambadik’ilay vovonana HFI na “Hetsika ho amin’ny Fanorenana Ifotony”, izay nikarakara ny fivoriana. Tsy ara-dalàna ny ankamaroan’izy ireo, hany ka rehefa mamory vahoaka dia tsy mahazo olona, hoy hatrany izy. Diso fanantenana moa i Floriot Samiary  nilaza fa nahazo soratra maro sosona na sms izy, fa hanao fivoriambe ny antoko mpanohitra rehetra ao amin’ny Carlton, ny sabotsy teo. Ny fametrahana ny lehiben’izany mpanohitra izany no tanjona, ka ny filohan’ny Tim Atoa Marc Ravalomanana no hotendrena saingy nolavin’ny antoko Tamami ary nivoaka ny efitrano fivoriana izy taorian’ny fandraisam-pitenenany. Aleo miandry ny “récepicé” avy amin’ny minisiteran’ny atitany ny mpanohitra, izay vao manao fivoriambe, hoy ny heviny. Vaky ny ady izany eo amin’ireto samy mpanohitra ireto, raha io fivoriana natao ny sabotsy teo io no zohina. Nambaran’ny Tamami hatrany, fa nisy tamin’ireo mpitarika ny fivoriana aza no mersenera politika sy mitady seza fotsiny, hoy izy nahitsy fiteny.

Sitraka r.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT