Antoko politika VFM

RFM Miantso an’i Jean Ravelonarivo ho kandida


  • Talata 24 Aprily 2018

Namoaka fanambarana tamin’ny alalan’ny filohany Rakotoarinelina Be Charles ny antoko VFM (Vato Fehizoron’i Madagasikara) manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Mpikambana ao anatin’ny RFM (Rassemblement des Federalistes de Madagascar) ny VFM, ary io filohany io rahateo no sekretera nasionalin’ny RFM.

 

 Miantso ny vahoaka mba ho tony izy ireo. Rehefa nandinika nandritra ny ny fivoriana in-droa miantoana tao amin’ny Restaurant Le Zoma Ambodifilao sy tao amin’ny Hotely Ambodivona ny mpikambana ao anatin’ny VFM/RFM, araka ny fanambarana, ka samy resy lahatra fa mila fanovana sy rafitra avy any amin’ny vahoaka ifotony i Madagasikara. Mila olon-kendry, tia tanindrazana, mandala ny soatoavina tena Malagasy, manana traikefa momba ny fitondrana fanjakana,… Ny praiminisitra teo aloha Jean Ravelonarivo no hitany sy ambaran’izy ireo fa mahafeno izay fepetra takiany izay. Miantso ity farany mba hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena araka izany ny VFM/RFM. Efa nisy ihany ny feo niely fa isan’ny kandida ho filoha ity Praiminisitra teo aloha ity, saingy tsy mbola ofisialy aloha.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT