Politique

Antoko politika VAMI “Tsy vonona amin’ny fampihavanam-pirenena ny Filoha”


  • Alarobia 15 Febroary 2023

Tokony hisy ny fifampiresahana mialohan’ny fifidianana, hoy ny antoko politika Vahoaka miray na VAMI. Mila atao io na inona atao anarany ary andraisan’ny rehetra anjara,

hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Gaby Vakiniadiana. Raha tena vonona amin’ny fampihavanam-pirenena ny filoham-pirenena dia ao anatin’ny fikaonan-doham-pirenena no ahitana ny atao hoe fampihavanam-pirenena. Raha tena vonona koa izy dia tsy nasiany EMMO nisakana ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina, teny Ivato tamin’izy tonga fa navela nitsena azy ny vahoaka. Tsy vonona amin’ny fampihavanam-pirenena ny filoham-pirenena. Aza gaga raha be dia be ny tsy fandriampahalemana satria ilaozan’ny EMMO miaro fanjakana fa tsy miaro vahoaka. Ny safira nivoaka izay nolazaina fa tsy sarobidy avy eo no tokony nosakanana tsy hivoaka. Aiza izao ny vokatry ny fanadihadiana momba ny volamena nivadika korotam-by? Matoa ny fanjakana mbola mamoroporona mpanohitra sadasada dia tsy fampihavanana koa izay no maha vonona azy fa sinema na “mascarade”. Tsy tia tanindrazana angamba fa tia tany ngazana, hoy hatrany ny VAMI.
J. Mirija
Legende: Gaby Vakiniadiana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT