Politique

Antoko politika VAMI Tokony hosaziana ireo depiote nivadika


  • Alakamisy 11 Jolay 2019

Tsy mbola nandray ny asany akory ireo solombavambahoaka tsy miankina voafidy tamin’ny anaran’ny tenany, dia efa nivadika sahady ary nanohana ny fitondrana.

 

 

 

 Midika izany fa namitaka ny vahoaka nifidy azy ireo solombavambahoaka namadika azy ireo, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko politika Vahoaka Miray (VAMI), Atoa Ghaby Vakiniadiana.

Nambarany fa tokony hisy ny sazy mifanandrify omena ireo depute nivadika ireo.  Tsy hita taratra hatreto ny tena programanasan’ny fanjakana toy ny IEM, ny Tanamasoandro fa fanohizana ny asam-panjakana nataon’ny fitondrana teo aloha no hita soritra amin’izao, hoy hatrany ity sekretera jeneralin’ny antoko ity.Ankoatra izay, voalaza fa ny Ird no maro an’isa eny amin’ny Antenimieram-pirenena, kanefa tokony hifadanja ny adihevitra eny, satria lalàna no resahana ao. Nomarihan’ny antoko VAMI fa tsy tokony hiditra ao anatin’ny governemanta koa ireo milaza azy ho mpanohitra, fa hijoro amin’ny maha mpanohitra azy ary hitsara ny asa vitan’ireo mpikambana ao anaty governemanta.

 

Sitraka r.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT