Antoko politika VAMI

«Tena hahamay ity raharaha «triple 7» ity!»


  • Talata 26 Aogositra 2025

Lasa vaovao tsy mety ho vary mangatsiaka amin’izao fotoana izao ity

raharaha Boeing 777 nitranga teto Madagasikara ity, hoy ny antoko politika VAMI na Vahoaka miray. Heno tao, hoy ny sekretera jeneraliny, Gaby Vakiniadiana, ny firenena iranianina, izay fahavalon’ny amerikanina sy nomeny sazy na «sanction». Mifaningotra ao anatin’izay raharaha izay koa ny israelianina. Io ny amerikanina eto mitranga ny Base Toliara. Ny israelina moa izany angamba dia hoe hampianatra ny malagasy hamboly vary, raha izao fijery azy izao! Atao inona eto Madagasikara fiaramanidina iranianina miisa 5? Hatoky ny malagasy intsony ve ny amerikanina raha toa ka tafiditra tao Iran, izay firenena tsy azo andefasana na inona na inona, ny fiaramanidina avy eto Madagasikara? Nitondràna baomba ho ao Iran ve ireo? Tsy mitombina hoe hiainga amina tale tsotra ny baiko fa tsy maintsy nisy olona lehibe noho izy tao. Tena hahamay ity raharaha «triple 7» ity! Tsy maintsy hanome sazy ny amerikanina. Hahavonjy antsika ve ny SADC? Ny nataonareo izay tafiditra anatin’io raharaha io dia zakao ny vokany fa ny vahoaka kosa aoka tsy atao sorona! Aza ampijaliana ny vahoaka efa miaina anaty fahantràna tanteraka! Tsy hisy marina tsy hipoitra ary mijery midina Andriamanitra. Ny mpitondra nanao an’ilay izy no tokony sazian’ny amerikanina, hoy hatrany ny VAMI!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • Gérard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT