Politique

Antoko politika VAMI «Fifidianana ihany no lalana ivoahana amin’ny krizy»


  • Alarobia 31 Mey 2023

Efa voafaritry ny lalàna ny fifidianana fa tsy zavatra foronina na zavatra vao volena fa tanterahina fotsiny araka ny fahavitan’ny fe-potoana faharetana itondran’izay lany tamin’ny fifidianana farany,

hoy ny antoko politika Vahoaka miray na VAMI. Tokony efa niomana, araka izany, ny mpitondra fa manam-paharetana ny fitondrana firenena, noho izany, satria isika tany demokratika dia efa tokony koa izy ireo efa niomana dieny vao tonga teo, hoy ny sekretera jeneralin’ity antoko ity, Gaby Vakiniadiana. Niomana ara-bola izay tokony ho laniana amin’ny fifidianana ho hatao manaraka. Noho izany, ny fandehanana any amin’ny tetezamita dia tsy vahaolana mahomby hoan’ny firenena fa vao mainka aza mampidi-kizo ny vahoaka sy ny firenena. Niaraha-nahita ilay fiaraha-nitantana tao anaty tetezamita farany iny. Kajikajy politika ihany ny firosoana amin’izany ary ny tsy fanantanterahana ny fifidianana araka ny tetiandrony avy dia famotehana firenena saingy tombontsoa hoan’ny vitsy an’isa anefa izany. Maro ny harem-pirenena eto azo hanodinana izany fifidianana izany toy ireo volamena maro be efa nanjavona. Tsy aleo ve hanaovana fifidianana ny ambiny tsy mbola very? Azo atao koa anefa ny manajanona ireo foto-drafitr’asa tsy misy fiantraikany mivantana sy tsy laharam-pahamehana amin’ny vahoaka sy ny firenena mba ho vola entina hijerena izay safidin’ny vahoaka amin’izao firenena efa zary nahantra izao. Aoka re ireo tena ilain’ny vahoaka no hotanterahina eto aloha, toy ny lalam-pirenena, sosialy, ny mpitandro filaminana hidina eny amin’ny vahoaka hanakaiky. Tsy misy afa tsy fifidianana madio mangarahara ao anatin’ny firesahana mialoha mba ho eken’ny vahoaka ny valiny, izay izao no maika sy takian’ny vahoaka ary dia io ihany no lalana hivoahana amin’ny krizy mety hisy eto ka hampilentika lalina be indray ny firenena. Ny naha variana mantsy dia toa tsy niomana amin’ny fifidianana ny mpitondra? Ny vahoaka anefa nandoha hetra foana, hoy hatrany ny VAMI.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT