Antoko politika UNDD

“Tsy mamaly ny fitoniana tadiavin’ny iraisam-pirenena ny mpitondra »


  • Alatsinainy 05 Febroary 2024

Tontosa ny sabotsy teo tetsy amin’ny Villa La Franchise Ivandry ny

fiarahaban’ny fianakaviamben’ny antoko politika UNDD na “Union nationale pour le développement et la démocratie”, izany hoe Fivondronam-pirenena ho an’ny fampandrosoana sy ny demokrasia, ny raiamandrenin’ny antoko, Thérèse Zafy, izay vady navelan’Itompokolahy Pr Zafy Albert, noho ny fahatrarana ny taona vaovao 2024. Naneho ny fahitany ny raharaham-pirenena ihany koa tetsy ankilan’izay ny antoko. Efa fantatrareo, hoy ny filohan’ny antoko, Manoro Régis, ny fotokevi-dehiben’ny UNDD fa firaisam-pirenena sy fampihavanam-pirenena, ny fitsinjaram-pahefana, fampandrosoana mirindra an’i Madagasikara, ny demokrasia. Miainga amin’ireo foana no hijerenay ny raharaham-pirenena, hoy izy. Taorian’ny hetsika sy korotandrotana teto Madagasikara talohan’iny fifidianana iny dia nanantena ihany izahay hoe mba hisy fihetsika na fepetra fampitoniana ho raisin’ny fitondrana hilaminan’ny tany sy ny fanjakana. Nangataka izany koa ny vondrona iraisampirenena taorian’ireny fotoana nanekeny ny valim-pifidianana ireny. Rehefa jerena nefa ilay governemanta vaovao dia tsy dia ahitana an’izay loatra. Ny atao hoe fisokafana tsinona tsy hoe fijerena manam-pahaizana atsy fa fijerena hoe iza no olona mahavita avy amin’ireo vondrona na antoko politika misy. Nihevitra izahay fa mason-tsivana politika no hisafidianana ilay olona. Taitra be izahay naheno hoe misy kabinetra mandinika ny olona ho atao minisitra nefa ny fananganana governemanta tokony hivelaran’ny resaka politika kokoa. Eo ihany ny resaka tekinika. Mila jerena koa ny hoe inona no vesatra politika na “poid politique” entin’ireto olona ireto? Ny mahazatra dia hoe eo ambany fiahian’ny minisitra ny sekreteram-panjakana. Zava-baovao ity hoe sekreteram-panjakana eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika ity. Mbola tsy tafatsangana moa ilay izy hatramin’izao. Inona marina moa no ho ataon’ireo olona ireo? Inona no hifandraisany amin’ny praiminisitra? Any amin’ny fiadidiana ny repoblika izany tsinona no tena iankinany fa tsy sahala amin’ny minisitra mahazatra. Ho hitantsika eo ny hanaovan-drizareo azy moa. Tsy maintsy handray anjara amin’ny fifidianana rehetra ny antoko na teo aza ny fitsikeranay ny tsy fihetezan-javatra maro teo amin’izay fikarakarana fifidianana izay satria tsy afaka ny hanao intsony ny antsoina hoe “politique de la chaise vide” izahay fa aleo mandray andraikitra. Ny rafitra hitondrana ny firenena mihitsy no tokony amboarina fa tsy resaka fotsiny hoe iry i prezida Andry Rajoelina ho soloiko dia andeha ho ataoko koa ny nataony. Tsy vahaolana izany. Ny fahefana mivangongo be amin’ny filoham-pirenena no nahatonga ireny zava-nisy ireny, hoy hatrany ny UNDD.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT